kitjo

Tsy mandeha ny video search youtube!

kitjo | 13 Desambra, 2006 07:04

Soa ihany fa efa voa enregistrer daholo ny video ankafiziko tao @ you tube!

Nahagaga fa ity androany ity dia tsy mandeha hono ny video search...hhmmm...

Ny dailymotion anefa ela beeee!!!

Dihy!!

kitjo | 13 Desambra, 2006 07:00

Za dia tia dihy..

DIhy hoa fa tsy mandihy..tia mandihy refa za rery tsy misy mahita...

Shakira no anisan'ny tena ankafiziko fa za mo mbo minatranatra reny bellydance reny...fa tsy mety mahay..tsy hita e!!!

Tsy haiko ny mametraka video ato !!!!

Mahaleo

kitjo | 13 Desambra, 2006 06:56

Io no mpanakanto tiaaako njinja njinja h@ zao aloha..

na feony na tonony!

Jereo ange ity e!

Embona sy hanina : Dadah sy Charles, mahavoa koa ilay bandy io an...releve mahatoky!

http://www.dailymotion.com/visited/tag/Mahaleo/search/malagasy/video/x9hug_mahaleo-embona-sy-hanina-dadah-char

13-12

kitjo | 13 Desambra, 2006 06:45

Dia mbola tara njay vao nifoha fa tsy mianatra!

Vao mifoha dia oram-be..ggrrr..tsy maina ndray ny lamba anjoany!

Zao le mampa-noana, asa ianareo raha toa ahy fa za raha vao mijanona ato antrano ohatra an'izao ka avy ny orana dia te hihinan-kanina foan foana! hhmm..raha izao no mahazo katsaka sy ronono..miam miam..

Miaraka @ iznay rehetra izany mihaino MBS Radio en direct...na dia tsy dia mazava lotra aza dia hafa mihitsy eee!!!

reko dol ny hira malaza..fa tiako kosa aloha ilay Fe ataovy (Thibaut feat Dj Jonnathan)..

Dancehall ilay rythme ozizy vegas!

Fa misy hira izany ao ..efa ela be za vao tonga saina fa hay teny gasy..tsy haiko tsony aloha satria na miteny gasy aza d ataon ilay mpihira mizesta be accent teny anglisy....milay k!

Mirongatra ny voalavo sy lalitra @ faritra sasany!

kitjo | 13 Desambra, 2006 06:29

manao antso avo ny ben'ny Tanana Antsirabe fa maro ny ezaka atao kanefa misy faritra na fokotany vitsivitsy tsy manaja ny fahadiovana ka mahatonga loto ary mampirongatra lalitra sy voalavo...

MMhhhh..aiza ho aiza re izany e!!!!!

tsy eo aloha e!

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16  Manaraka»
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb