kitjo | 06 Janoary, 2007 07:37
Kory aby!
Tafaverina eto indray e...mbola valaka be fa nihodikodina ny raoplanina no ela be ny transit....
Tratry ny taona aby dia mirary soa oo...
Milamina any Dago sady levona ny cyclone..ny manaraka ndray no asa! EFa madio no sady mangingina vita fety ny tanana...ny vary @ 700ariary no ilaharana zay mpivarotra misy azy!
nampalahelo ahy fts ity zaza @sary ity fa mba nandalo naka sary tao @ St jo tao Bira aho dia nony nivoaka feno olon anitangorona teo ivelany fa narian'ny reniny tao an-jaridaina io zaza io ka olona sendra nandalo no nahita azy...mahafatifaty ary madio tsara...napetraky ny reniny niaraka t@ akanjony ilay zaza..
Asa aloha raha nanao ahoana fa misy milaza ho mahalala ny reniny ny olona izay nandalo ka hoe mpisotro taoko hono. Naka video aho fa mbola ts haiko mametraka zy eto fa nataoko @ ilay siteko anankiray Multiply...

kitjo | 29 Desambra, 2006 17:02
Kory aby!
Manamarina kely ilay nolazaiko aho angamba t@ ilay korontana Analakely...
Jentilisa, efa mahazatra ihany mahita korontana Kermesy sns hatrizay fa tsy nampoiziko oh zao ny teo @ avenue..raha ANtsonjombe na oh znay mba tsy maninona...misy koa ireo manege sy fakana sayr miarak @ Dadabe Noely tsy maninona fa ireo loka maro samihafa no hitako tena nanimba endrika..hany ka na ny olona aza matahotra hitondra ny zanany eny fa miafiafy ety @ sisiny maka sary fts
Jereo ange ireto sary manaraka ireto

Ny masikita sns..toaka!
(tohiny)kitjo | 26 Desambra, 2006 15:06
Salama dol
mba manararaotra mitsidika kely e
samy tratry ny Krismasy dol d mirary fety sambatra
milamina aty sady mangingina
manaraka ny avenue sy behoririka iny no mikorontana bordel be
misy kermesy sns am avenue
kodiakely, manezy; loka samihafa; masikita sns sns
mikorontana b mitsy fa hita oe faly ny ol na zany aza
samy ho tratry ny taona e...
tafiditrra antanety avaratra andrefana iny ny cyclone
eto Iarivo aloha dia merimerika tsy mijanona ny andro...mitsitapitapy tdy d tena oe avy be...azo iafiana tsara na zany aza
Manaova fety sambatra dol e...
Biizzz
kitjo | 22 Desambra, 2006 18:07
Eto Bangkok aloha transit 2h...soa fa mba fohy2 ihany
12h05 alina ora SIngapour izao...misy 1h ny elanelana ka tsy haiko oe 1h mialoha aty sa tafara...hahhaha..fantatro fts fa tsy ho tara aho satria eto akaikin'ny boarding room...tazako eto aby ny Gasy andeha hody..lol
Tsy mba toy ny any Singapour moa eto..ilay aeroport vaovao...tsy misy internet gratuit ary tsy misy wireless koa...
Voatery nividy carte net 100baht na 7000ariary(efa mahay ariary tsara kosa an..lol)..misy email maika tsy maintsy nalefa..20mn no azon' izay hono...dia manararaotra nitsidika ato fa mba misy ambiny. Lafo izy zany le....!!!
Malalaka be ilay aeroport vaovao eto Bangkok. Ngodabe mihitsy fa dia tsy misy inona inona fa banga be..soa fa mba misy kisarisary ny rindrina sasany raha tsy izany vy be dol zay jerena...tsy haiko na zatra ny aeroport SIngapour koa ny masoko...
Oadray, teo am-panoratana an'ity aho dia gaga fa tapaka ilay connexion...dia ni login in @ le PIN dia soa ihany tsy nikatona ity....20mn hoy izy ilay 100bht kanefa vao tsy 4mn nandefa email sy nanokatra ity akory aho dia izao indray efa 54bht hono sisa...
vao nosokafako voalohany aloha ilay izy avy nampiditra ilay PIN tonga dia 19segondra nisoratra teo...Fangalarana be manadala....
Dia mazotoa daholo ry zareo ahhh!!!!
ANy Dago indray manoratra raha afaka...efa tsy isan'androko intsony ny ho sokajin'ity aloha ato ho ato fa mety ny isaky ny 3 na efatra androko...hahaha
Tafandria mandry izay hatory ary mazoto aizay hamonjy fiasana na fianarana e...maztoa homana ny hisakafo....
Biizz dol!!!
kitjo | 22 Desambra, 2006 04:28
Dia hanainga moa iznay afaka 6 ora eo ho eo...
Koa dia mirary fety sambatra sy finaritra ho antsika rehetra sy ny fianakaviana e! Samy ho tratry ny taona vaovao aby koa!
Ao @boarding room rfveo mety mbola mi connecte kely @ wireless fa refa any Dago alo ngamba d email ihany...hihihihi
Enga anie tsy hisy ny korontana sao sanatria za taraiky any no sady mampalahelo ny mponina...Inoako aloha fa na hisy aza dia kely fa tsy ho grave be ary tsy haharitra e!
Ao @ blaogiko anankiray misy hirahira ahatsiarovanareo anah mandra-piveriko e..hihihihi
'Ndao fa vloum ooooo!!!!
Efa mba betsaka ihany angamba no mahalala ahy kanefa samy manana ny fahitany azy koa!
| « | Febroary 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | |||||
| 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
| 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
| 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
| 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | |