kitjo | 26 Oktobra, 2007 13:26
Salama daholo,
Misy solosaina marobe tonga ao @ Ministeran' ny Fampianarana amin' izao, mbola misy ho avy aza.
Ny tanjona dia ny handrakotra ireny toeram-pampianarana ireny ny solosaina mba ahafahan' ny ankizy Malagasy mianatra sy mampiasa izany, izay raha tsorina, fananganana "telecentre" misy cyber sns...
Misy fandraisana anjara kely izy io, Ar150000 na FMG750000 (io no nalohako ho an' i Betafo fa tsy haiko raha tena izay) ny iray, fandraisan' anjaran' ilay sekoly. na aiza io n aiza manerana ny Nosy. Afaka maka hatramin' ny 10 raha tsy diso aho fa saingy ampiasaina amin' ny sekoly ihany.
Ataoko fa tsy dia lafo lotra izany kanefa raha EPP na CEG, sarotra ho andry zareo ny hividy an' izany, tsy maintsy hanisy "imprimante". stabilisateur sns...ka raha mba misy mahatsiaro tena fa mba afaka manome dia mba manentana ny tenako mba ahndraisanareo anjara amin' izany ho fanampiana ireo zandry zanaka ireo @ izay toerana tianareo anaovana azy.
Ny talen-tsekoly (EPP, CEG, Lycee..eny toa na Prive ko aza angamba) no mnao ny Fangatahana, ampandalovina @ CISCO, dia aterina any @ Ministere Education nationale et Recherce Scientifique etsy Anosy...ry zareo no manao an' izany fa ny anjarantsika ziany dia ny mampahafantatra ny tompon' andraikitra @ tanAna na sekoly izay tiantsika anaovana izany ny fisian' io zavatra io (satria zareo ko mety tsy mahalala), dia ny manome ny vola sy manolotra ny fitaovana fa ry zareo ihany no mikarakara ny fangatahana sy ny fakana ireo solosaina ireo.
Mba mandraisa anjara ry reto fa Ar150000 izany mba mety hahasoa zaza farahafakeliny 100 isan-taona anatin' ny 4 na 5 taona mandra-pahasimban' ilay fitaovana.
Izany eo ihany, fa sao dia misy eto Maurice ny namana ato, aty manko za io izao manatrika ilay Forum Economique des Iles de l' Ocean Indien.
Biz dol!!
Rado | 26/10/2007, 20:49
Misaotra nampita ny vaovao Kitjo a. Milay izany. Handalo any Dago aho amin'ny Dec d any aho izany maka info misimisy kokoa.
Lova | 28/10/2007, 05:50
Fa maninona no tsy zarain'ny ministera maimaim-poana ireo ordinateur ireo ?
Dia mbola hisy ihany izany ny sekoly tsy hahazo satria tsy nanana ilay fandraisana anjara.
sipagasy | 28/10/2007, 11:56
misaotra akia nizara ann, dia mazotoa @ rehetra atao e! hombam-pahasalamana hatrany anie injy akia hanatontosa ireo adidy misavovona ireo annn
bizz beh
IsraJ | 29/10/2007, 09:34
Rehefa mba tsy vaovao ihany ireo fitaovana dia tokony mba zaraina gratos ... Mbola tsy tafiditra anaty programme ny resaka fampianarana micro-informatique fa rehefa mba misy 1 na 2 hanaovan'ny ankizy fampiharana dia efa ampy izay aloha fa tsy voatery hisy salle iray feno PC, vu le considérable retard que nous avons sur ce domaine ... Ary ho an'iza ilay vola azo @ fandraisana anjara ? Ary tsy efa fiaraha-miasa @ Mircosoft angaha moa izy ireo ?
metisy_4ever | 30/10/2007, 07:51
MBa te hanontany hoe iza i kitjo ?
simp | 30/10/2007, 20:50
Mety hoe tsy don le izy, na koa tsy nisy fifanarahana t@ Microsoft dia tsy maintsy manao amortissements,... na hoe hors budget mintsy aza...
Ra free softwares zao no tao mety mora kokoa o :p
DadaRabe | 30/10/2007, 21:08
Tena mahafinaritra Kitjo à
Mirary anao hahatontosa ny adidy é!
DdRb
Efa mba betsaka ihany angamba no mahalala ahy kanefa samy manana ny fahitany azy koa!
| « | Febroary 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | |||||
| 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
| 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
| 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
| 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | |
Re: Mandraisa anjara ho fampandrosoana!
ikalamako | 26/10/2007, 14:17
salut kitjo lava tongotra ! mahavita be akia fa hitako tena mafana fo be indry, Soa fa nisy anareo hoy ny hira!!!