kitjo

tanavo miakatra ville

kitjo | 10 Martsa, 2009 09:32

sali sali dol

toy ny mahazatra dia rehefa sendra iakatra eto Iarivo i kitjo vao mahita izany internet izany,

Toy ny tanavo  mihitsy ary maro amin'ireo mot de passe no adino(satria maro lotra nywebsites nidirana tany Singapour)

Rehefa lasa eritreritra any amon'ny dezaka any(any ambanivohitr'i Sakaraha za izao no miasa,hihihi,tsy azon'ny sainareo eritreretina izany fa planete roa samihafa mihitsy no iainako niala tany Singapour dia any amin' ny faritra faran'ny tena molentika eto Dago,lol); lasa saina hoa zaho indraindray e; hoe misy an'izany Blaogy izany iainan'ny olona, forum, chat, google, ahahahaha

Soanja:raha sendra mamaky mba andefaso sary za, i Soanja manko no tonga namangy ahy tany.

 

Inona daholo re izany e, tena misy ve izany sa sa no mandrevy? raha mitantara an'izany any dia mety lazain'ny olona ho mandainga. na sao nifoka zavatra tsy mety ka lasa inspiraka;hihihihi

tsy mba misy manao an'izany ve ianareo?

 

Izany eo ihany fa variana fts koa za raha mamay hevitra eto amin internet fa tena tsy ampy vaovao na mahazo vaovao diso ianareo any ivelany

inty misy site iray hitako dia mba samy jereo dia mifameno ny info azonareo

http://gazetyavylavitra.wordpress.com/

inoako fa efa maro no mahalala an'io fa mbaanarahanareo ny update rehetra

 

 

izay indray aloha ry zareo fa an-taonina ny taratasy ho valiana ato

 

mba vangio za rehefa sendra mandalo Isalo any nareo na Sakaraha na Toliara fa ireo ny terrain-ko izao e!

Hevitra

Re: tanavo miakatra ville

ikalamako | 10/03/2009, 10:15

on parlait du loup, il sortait du bois - yeeeeeeeeeah !
Na koa hoy ny gasy hoe saro-pisainina indry ry kitjo, vao avy niresaka andriako zahay ao @ blaogin'i tokinao ao, le resaka fandroahana omby, mba efa hitandry ve ?
Mahafinaritra be mahita andriako eto izany akia an !!!
Mahavita be akia na any @ dezaka aza a !
Kiss beuhhhhhh.
Rehefa ho any atsimotsimo any aho tsy maintsy mitady andriako (mbola nofinofiko voatahiry anaty tiroara any manko izay fa mbola havoakako tao - lol)

hihihi

kitjo | 10/03/2009, 10:29

hitako mitsy lay tao amin blaogin tokinao
tsotandry nga namaliako azy ao,hihihihhi
tena nanokana fotoana miits akia za androany mba hi net kely fa malaelo anareo
Tongava e
bizzz

Re: tanavo miakatra ville

radotiana | 10/03/2009, 14:11

radotiana

Ahoana indray izany tanavo miakatra ny ville mandeha mi blaogy izany? :-) Faly namaky ny post nao.

Re: tanavo miakatra ville

sitlo | 10/03/2009, 18:04

sitlo

Ontonale kitjo!

Mahafinaritra ery ny mahita anao mandalondalo eto. Samy hafa be tokoa ilay toerana. Eo anatrehan'izany anefa, sarotra ny milaza hoe aiza no mahafinaritra kokoa!

Ho ataoko aza lambo mihitsy raha sendra mandalo any aho!

kitjo

kitjo | 10/03/2009, 20:47

rado> k zay mitsy nahatsapako oe tanavo ko.hihihih
anatin,io class io zao za..lol

sitlo>retour aux sources,hihi
hey,fa za tsy lambo k!

Tongasoa ao Iarivo feno setroka e

Soanja | 11/03/2009, 05:23

Any Kitjo,

Faly be tokoa mahita andry mandalo eto. Tongasoa aky a. Ntsohh manina sahady aho nefa matahotra an'i Madagasikara feno tsilom-pitiavana. Maimaivay nefa tsy maintsy lalovana.
Andraso aky jereko dia alefako any amindry izay ananako ato an. Tadidiko aloha nisy ny sarintsika niampita an'i Renirano Teheza.

Mahereza aky a. Mivavaka ho anareo lalandava sy ho an'i Madagasikara iray manontolo.

ok

Tokinao | 11/03/2009, 23:25

Misy hafatro voasakana ao รด :).

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb