kitjo | 26 Oktobra, 2007 11:26
Salama daholo,
Misy solosaina marobe tonga ao @ Ministeran' ny Fampianarana amin' izao, mbola misy ho avy aza.
Ny tanjona dia ny handrakotra ireny toeram-pampianarana ireny ny solosaina mba ahafahan' ny ankizy Malagasy mianatra sy mampiasa izany, izay raha tsorina, fananganana "telecentre" misy cyber sns...
Misy fandraisana anjara kely izy io, Ar150000 na FMG750000 (io no nalohako ho an' i Betafo fa tsy haiko raha tena izay) ny iray, fandraisan' anjaran' ilay sekoly. na aiza io n aiza manerana ny Nosy. Afaka maka hatramin' ny 10 raha tsy diso aho fa saingy ampiasaina amin' ny sekoly ihany.
Ataoko fa tsy dia lafo lotra izany kanefa raha EPP na CEG, sarotra ho andry zareo ny hividy an' izany, tsy maintsy hanisy "imprimante". stabilisateur sns...ka raha mba misy mahatsiaro tena fa mba afaka manome dia mba manentana ny tenako mba ahndraisanareo anjara amin' izany ho fanampiana ireo zandry zanaka ireo @ izay toerana tianareo anaovana azy.
Ny talen-tsekoly (EPP, CEG, Lycee..eny toa na Prive ko aza angamba) no mnao ny Fangatahana, ampandalovina @ CISCO, dia aterina any @ Ministere Education nationale et Recherce Scientifique etsy Anosy...ry zareo no manao an' izany fa ny anjarantsika ziany dia ny mampahafantatra ny tompon' andraikitra @ tanAna na sekoly izay tiantsika anaovana izany ny fisian' io zavatra io (satria zareo ko mety tsy mahalala), dia ny manome ny vola sy manolotra ny fitaovana fa ry zareo ihany no mikarakara ny fangatahana sy ny fakana ireo solosaina ireo.
Mba mandraisa anjara ry reto fa Ar150000 izany mba mety hahasoa zaza farahafakeliny 100 isan-taona anatin' ny 4 na 5 taona mandra-pahasimban' ilay fitaovana.
Izany eo ihany, fa sao dia misy eto Maurice ny namana ato, aty manko za io izao manatrika ilay Forum Economique des Iles de l' Ocean Indien.
Biz dol!!
kitjo | 02 Oktobra, 2007 09:50
Salama daholo indray
Ohatry ny mahzatra moa dia mandalo dia miserana rhefa mba eto Iarivo.
Sahira-dava ny tenanay @ asa nefa tsy manadino na izany aza.
Faly ery koa nihaona t@ Fasaly t@ maraina ary mbola hihaona rahariva miaraka @ Sasa.
Tsy ho be resaka satria tery ny fotoana fa ho antsika eto Madagasikara dia nitsangana ny "Entreprendre au Feminin Ocean Indien Madagascar na EFOIMAD". Ka entanina izay rehetra liana ny hiditra amin' io fa be dia be ny mahasoa, anorato aho izay mila fanazavana fanampiny,
Natao ho an' ny vehivavy tompona orinasa, na mpitantana orinasa (na tsy tompony aza), ary indrindra2 ho an' ireo manana "projet" kanefa sahirana @ hanatanterahana azy...Marihako eto fa "reseau" Ocean Indien izy io ka ny COI no mi- financer azy ary misy partenaires bdb miaraka aminy.
Za moa zany membre de bureau, Conseillere Marketing ka izay liana dia midira e, ny 15Oct izao no hivoaka ny siteweb ka ho alefako eto ny adiresiny.
Izay ndray ary aloha fa dia tena mbola revo dia revo ato e
Biz dol
Efa mba betsaka ihany angamba no mahalala ahy kanefa samy manana ny fahitany azy koa!
| « | Oktobra 2007 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | |
| 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 |
| 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 |
| 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |
| 28 | 29 | 30 | 31 | |||