kitjo

Mandalo kely indray..

kitjo | 11 Mey, 2007 09:18

Miarahaba antsika rehetra eto indray e

Tanavo miakatra ville kely indray aloha, tonga eto Iarivo! na ny fikitihina ireto bokotra ireto aza manoatra nohon' ny mitsimpona akotry @ vato; sady fararano zao ny andro aty;Zany no malaza, mampiakabary aby ny olona eny ambanivohitra.

Za moa tsy aiza fa dia mbola any Isalo any ihany, tsy dia afa mihetsika ela loatra fa fanombohan' ny fahatongavan' ireo vazaha any izao.

Mampalahelo fts fa nohon' ny korotandrotana any Toliara io dia betsaka ny vahiny no mihemotra ka nanafoana ny diany;

Vao omaly hariva koa no nisy vazaha 25 nijery ny "fenetre de l' Isalo", notafihan' ny andian-jiolahy 11 ka mino aho fa hisy akony io zavatra io; tena mangala baraka. Sehon- javatra tsy mba nisy tany mihitsy izany hatrizay fa asa raha ny fidiram-bola izay mihena dia mihena ao Ilakaka ka lasa midahalo ny olona ary mikisaka mianavaratra.

Marihako moa fa 25km ny elanelan'i Ilakaka sy Ranohira; tanana izay misy ny Parka Nasionaly Isalo.

 

Fihaonana tamin' i Rado

Atambatro lahatsoratra iray ato daholo izy ity,

faly dia faly ery t@ fandalvan' i Rado, izay namana mpiblaogy ato tany Isalo. Toa tsy mampino lay olona resahana an-tsoratra eto no hitanao mandalo dia miserana ihany,

Mba nisy sarinay mianadahy aloha fa mbola angatahana fahazoan-dalana aminy raha azo avoaka eto.

 

Ny andavanandron'i kitjo

Raha ny andavanandroko dia tena planeta hafa samihafa mitsy ny fiainana ao Isalo sy ny tany SIngapour. Tampoka lotra angaha ny fiovana koa ka nandraiky narary ihany ny vatana nataon' ny tazo mamay vao tonga tany na dia vonona tanteraka aza ny ara-tsaina.

Tsy dia naninona intsony anefa fa ny amibe sy bilarizaozy no andrasana isan' andro fa izany no aretina mpahazo ny olona any. Ny antony dia renirano no angalana ny rano....azonareo an-tsaina ihany... na dia ezahina aza ny mampiasa filtre, eau de javel sy sur'eau.

Tena lasa sovazy kely mitsy satria tsy mba mahare vaovao fa ny gazety dia ny ampitso vao tonga; ny TVM zara ra hitanao mamoaka sary, ny RNM mikasaosaka; ny radiom-paritra tsisy afatsy kilalaka sy ry Melky;

Tsy maintsy manana Canal satellite vao maharaka vaovao. Vaovao avy aiza anefa fa dia ny avy any ivelany ihany; ka ianareo any ivelany any izao no mahare vaovao alohanay eto an-toerana.

Mampalahelo satria dia izany no iainanan' ny olona any hatrizay.

Mba miezaka kely mitady fialamboly sady mahasoa no mahafinaritra ka mba indroa isan- kerinandro aho namorona "English Club" eo Ranohira dia mivory, mampianatra sy mifampiresaka, milalao; mijery film na mihirahira @ teny ANglisy miaraka amin' ireo tanora eoan- toerana.

Indroa isan- kerinandro toy izany koa dia mamory ireo zazakely " ka hatramin' ny 10 taona avy @ tanana manodidina aho mampianatra azy ireo mamaky teny sy manoratra ary milalao sy miala voly ihany koa. Mampianatra mahandro sy manao zaridaina sns. Eny na dia tantara tsotsotra momba ny fiainan' ny olona aty andrenivohitra sy any ivelany aza dia mahasondriana ireo zaza ireo.

Sady lavitra andriana izy ireo no mitoka-monina; maro ireo vazaha mpizaha tany any kanefa tsy misy fivoarany ny tanana. TSy misy inona inona mihitsy mba mikarakara ireny zaza sy tanora ireny; hany ka vao 12 na 13 taona dia efa mivaro-tena amin' ireo mpizaha tany.

Nohon' ny tsy fisian' ny fialamboly any izay moa dia manararaotra ny olona eo an-tanana raha vao misy "occasion" ny hanaovana fety izay faranana matetika @ "bal populaire", eny na dia ny andron' ny 8marsa aza..

Ireo moa dia nataoko ho adidiko any ankoatry ny asa aman-draharaha sahaniko.

Baolina basket sy foot izao no mba natolotra ny Commune dia ao ny ankizy no mindrana rehefa te hilalao ka mba iantsoako anareo namana eto izay afaka manampy; ARA-PITAOVANA, toy ny boky, cahier, baolina sns, izay tianareo e... fa tena mampalahelo ny hoavin' ny ankizy sy tanora any

 

Raha mba misy te hanampy dia mba anorato aho @ [email protected], asio hoe ho an' i Mlle Aly. tsy dia zavatra be hoe inona akory fa mba oezahina itarina hatreny Ilakaka ny fanampiana raha mba misy manampy.

Eritreritra manko ny mba anaovana "centre" kely ao amin' ny kaominina ahafahan' ny olona mamaky boky na hoe asiana Tele iray sy lecteur iray mba andefasana horonan-tsary na documentaire sns ireny.

Hanokana andro roa izahay ato ho ato, miaraka amin' ireo tanora ao @ English Club io, hanasa ireo fiara mandalo eo an-tanana mpitondra vazaha, mba hanangonam- bola anamboarana ireo "terrain de basket sy foot" sy ividianana "maillot" ho an' ny tanora eo an-toerana.

 

Fahatsiarovana

Izay moa ny amin'iny fa ho ahy manokana indray kosa dia somary manjombonjombona ny fianakaviana, herintaona rahampitso tokoa manko ny nandaozan' i Dada anay; Tena mandeha ny fotoana.

asa na hoe fomban- javatra ihany izany fa tato ho ato dia toa mitamberina avokoa ny zava-drehetra; ary lasa toy ny mitanisa sy maminavina ireo olona nandritra izay herintaona tsy nahateo azy ny ankohonana; tsapa mihitsy ilay fahabangana refa eritreretina daholo izany.

Enga anie ka hisava vetivety. Nanapa-kevitra moa izahay fa asiana fotoam-pivavahana fahatsiarovana any Betafo rahampitso Sabotsy. Ny antony dia satria Solombavam-bahoaka tao izy ka nangataka ry zareo mba any no atao mba akaiky ireo tambanivohitra hamonjy ilay fotoana.

 

Lava dia lava ny lahatsoratro fa natao tamba-be ato daolo satria araraotina ny fotoana fa ela be koa ilay milina raha hanokatra pejy iray isaky ny lahatsoratra.

 

Dia mandra-pitafa indray sy veloma, enga anie ka ho vetivety!

Bizz dol

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb