kitjo | 31 Janoary, 2007 15:04
Tsy haiko moa ilay fomba filazanareo azy iny hoe malagasisopia sa moa inona ka dia notsoriko ny ahy...
Nataoko oe "andiany zokiny" satria dia misy karazany roa samihafa be tokoa izahay..ireo teo aloha (2001-2006) dia efa somary lehibebe daholo izahay: salan' isa 22taona teo (28taona ny zokiny inddra ary 20 ny zandriny inddra)... ireo no resahiko aloha izao...
t@ io andiany voalohany io dia nifandanja ny isan' ny lahy sy vavy ary mitovitovy "feeling" daholo.
t@ alalan' ny "Agence" iray moa no nandehananay rehetra ireo taty t@ izany fotoana hany ka mora ny nifandraisana ho an' ireo efa teto an-toerana sy ireo zay vao mikarakara taratasy tany Dago (fanarahana ny taratasy, fitadiavana trano, fanontaniana mila valiny isan-karazany momba ny fiainana)
Izaho no fahaefatra nankaty ka taorian' izay ary dia nanapa-kevitra izahay fa isaky ny misy ho avy hatrany Dago dia ataonay zay iarahana mipetraka mifanakaiky...
ATy moa misy ihany ireo "hostel" na campus izay atolotry ny fianarana ho an' ny mpianatra..hofaina ivelan' ny sekoly ny ankamaroany fa tsy toy ny @ toeran-kafa hoe ao @ sekoly..
tsy azoazonay moa ny mipetraka amin' ireny satria afangarondry zareo @ sinoa sy karana sns ao..olona tsy fantatra e...tsy fanavakavahana sanatria fa tena sarotra be ny miara-miaina amindry zareo
Reto ny iray efitrano sy fandriana tamiko..haha
Ny sinoa (aleo ataoko oe sasany) tsy miresaka ary tsy mahalala fomba, misy namanay manko efa niara-nipetraka tamindry zareo ka misy an' izany hoe ianao mijery Tele..miditra avy any izy dia raisiny ny "telekomandy" tsy ankiteny akory fa tonag dia ovainy teny sinoa d eo ianao gaga!
Ny karana (mbola ataoko oe sasany ihany) indray dia voretra sy be korontana...tena grave io ary izy tsy azo tenenina fa raha miteny ianao dia izy ndray no tezitra....
Noho izany, t@ iznay fotoana dia toerana iray antsoina hoe "Viewpoint" no niarahanay nipetraka tao Meyer Road. Akaikin' ny ranomasina izy io ary aty @ faritra atsinanan' i Singapour...
Immeuble iray ihany fa
- mirah, faniry ary ando: 14e etage
- Lova: 11e (nipetra-drery satria mankaty matetika ny mamany)
- Za sy Andry ary Rado: 10e
rehefa mivoaka t@ izany dia miaraka foana...rehefa tonga ao antrano moa dia matetika isan-kariva dia tao aminay tao @ 10e foana no miara-misakafo na miresadresaka na mijery Tele sns....
Dia miaraka foana tokoa izahay ireo, asa na hoe mbola vitsy angamba!
Nisy ankizy roa hafa izay tsy niara-nipetraka taminay satria tsy nifandray taminay ry zareo raha tsy efa ho avy mihitsy ka efa nitady trano ary efa nanasonia fifanarahana ka tsy afaka niala....
Niara-nipetraka taminay ihany ry zareo avy eo refa vita ny fifanarahana izay!
T@ tao @ viewpoint aloha dia kelikely ihany ilay tanana tsy dia misy zavatra atao firy (facilities no tiako lazaina eto)...hany ka milomano na manao basket no atao matetika fa tsy nisy afa-tsy izay tao. Rehefa weekend kosa dia entina ao amoron' ny dobo filomanosana ny sakafo dia ao mandra-maraina nddray....indraindray koa dia misotrosotro keeeely (kely hoa!)
Rehefa weekend mande manao kayak, na billard, na bowling na baby foot, na koa matory..hihihi
Tsy atao matetika izany misotro zany aty satria lafo dia lafo ny zava-pisotro misy alikaola aty..manafatra avy any Dago na ao @ fivarotana sty andoavan-ketra @ serana-piaramanidina raha mab te hisotro kanefa misy fetrany iray isan' olona ihany rehefa hiditra aty..
Ny sigara moa d eee....10 dolara singaporeana na 14000ariary (70000fmg) ny iray pake @ilay mora indrindra....ka "mifopoka" fotsiny izay mba nifoka t@ izany mba hoe manala azy!!
Nampety ihany kosa aloha e...raha tsy izany mety humm ( fa zay hendry ka..lol)
Efa ampy taona daholo moa izahay t@ izany ka indray mandeha isaky ny 2 volana eo mba mandeha mamonjy alim-pandihizana..hihi..(tsy haiko ny filaza ny boite de nuit)
Lafo ihany koa izy io ho an' ny lehilahy fa ny vehivavy tsy mandoa vola rehefa "Ladies night" (alarobia sy alakamisy)...
ny zava-pisotro moa dia tsy laitra vidiana ao anatiny..ka raha te hisotro dia mamely ety ivelany dia mivoaka miditra....anatin' ny fidirana dia mahazo zava-pisotro anankiroa ( @ilay mora...hahaha)
mandritra izany rehetra izany dia tonga @ ilay fiteny hoe "tsy an-kiala"...mifampitarika eny foana izahay rehetra ireo na ho aiza na ho aiza na @ mora na @ sarotra..hihihi
Aleo tohizana manaraka indray aloha fa lava be izy zany......
jereo ny lahatsoratra teo aloha fa any ny sary hafa!
tsy vita lay manoratra lava be fa efa antitra ny maso
Efa mba betsaka ihany angamba no mahalala ahy kanefa samy manana ny fahitany azy koa!
« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |