kitjo

Antotan-taratasy sy fiomanana raha hianatra aty SIngapour!

kitjo | 11 Desambra, 2006 11:59

Taratasy ilaina:

Tsy hoe akory hoe ireto daholo fa ireto no tsy maintsy..mitovy @toeran-kafa ihany angamba

- application form avy @sekoly (azo alaina @internet)

- visa application @immigration (alaina @net)

- taratasy na diplaoma @zay fianarana hafa rht natao

- taratasy sivily :copie-mariazy RAR

- copy passport, sary sns

- taratasin'ny banky manamarina fa tsy nanana olana t@ banky ny RAR ary afaka mahaloa ny saram-pianarana sy vidim-piainana eto @singapour mandritra ny .... taona!

 

VISA

rehefa OK fa voaray @ sekoly dia mangataka visa amin'izay "Student Pass"

Eo @ 4 ka hatramin'ny 6 herinandro (1volana-1volana1/2) ny fakana visa na mety alohan'io aza raha ara-dalana daholo ny taratasy takiany.

Azo alaina @ internet ireo "form" rehetra ilaina.

Arakaraka ilay cas fa matetika herintaona no omeny dia avaozina avy eo.

Tsy dia misy olana ny fanavaozana azy fa ny condition kosa anefa dia farafahakeliny 90% ny "attendance"..tsy mahazo mingitrika matetika izany..hihhihi.

Ny resultat ihany koa no critere takiany ho tsara ahafahana manaovao ilay STudent Pass.

Ny mpianatra vahiny eto dia tsy mahazo miasa mihitsy eto na dia "part time" aza...na tsy mandray vola aza..na dia "petit boulot" reny fts aza.

Mampigadra mihitsy moa io raha tratra na tonga dia mody!.Tsy misy fetra mihitsy na 1h/semaine aza...

Ny fotoana rahateo tsy ahafahana miasa izany aty satria pratique daholo ny zavtara atao ka any @ orinasa na manao recherche na manao developpement projet no andaniana fotoana. Ny fotoana ianarana matetika dia 3h isan'andro ihany..max 6h fa indraindray fts..ny ivelan'ny fianarana no betsaka!

 

te hianatra aty SIngapour na hampiana-janaka?

kitjo | 11 Desambra, 2006 11:57

Azonao jerena ao @ Rohy ny ny lisitr' ireo Sekoly malaza eto SIngapour

13mianadahy izahay no mianatra eto izao.

4 kosa no efa nody na nifindra toerana!

Hohazavaiko manaraka fa raha ny teo manokana aloha dia afaka BEPC no tsara mankaty raha hanohy fianarana fa tsy miandry Bacc

Tonga dia mi-switch @systeme anglisy fa very fotoana 2taona raha miandry Bacc vao mankaty na voatery miditra sekoly prive.

Ny sekolim-panjakana moa no tena tsara aty fa saingy sarotra be ny miditra aminy!

Alefako sujet hafa ny taratasy karakaraina sy momba ny visa!

Valim-pifidianana betafo

kitjo | 11 Desambra, 2006 11:30

Valim-pifidianana Antsirabe II

kitjo | 11 Desambra, 2006 11:22

Mbola propagandy ihany!

kitjo | 11 Desambra, 2006 10:57

jereo ry nenintoa na ry lenary scou mba ao..

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb