kitjo

13Dec:

kitjo | 13 Desambra, 2006 07:37

"Aleo anatra imaso Toy izay fitia afenina. Azo itokiana hahasoa ny fery ataon'ny sakaiza; Fa tena fitaka ny fanorohan'ny fahavalo. " Ohabolana 27:5-6

Nalaina tao @ baiboly.org

 

An-dakozia!Famoasana..haha

kitjo | 13 Desambra, 2006 07:23

Tongolo gasy:

rehefa mamofy tongolo gasy dia didio kely hiala ny lohany sy ny vodiny..aveo tonga dia potsero @vodin'antsy fa tonga dia voaofy tsara...manaraka dol ny hodiny dia endahina fts sisa!

Misy koa tsy mamoafy tongolo gays, toy ny thailandais, fa tsara hono ny apport @iny hodiny fa ts haiko oe inona..fa tsy hohanina le hodiny an!

Oignon

Mba ialana @ ranomasobe kosa dia alefao ny robinet d eo @le rano mandeha iny no voaso ny tongolo fa tsy hampitomany mihitsy!

Na alona rano elaela alohan'ny hamoasa azy raha mana fotoana fa itsy ambony aloha no mahomby ho an'ny maika e!

Mananasy

Esory ny lohany sy ny vodiny..dia atsongolohy avy eo...zany oe avy aty @vodiny no amoasana azy..mora kokoa ny ialan'ilay oh hodiny misiisika kely iny amzay!

Voatabia

Ho an'ireo zay tia manendaka ny hoditra voatabia dia somary apetraho kely anaty rano na zavatra mangotraka vetivety vao voasana fa hiendaka fts ilay hodiny aveo tsy mila voasana.manahirana koa mamaofy azy raha somary efa malemilemy ilay izy!

Tsy mandeha ny video search youtube!

kitjo | 13 Desambra, 2006 06:04

Soa ihany fa efa voa enregistrer daholo ny video ankafiziko tao @ you tube!

Nahagaga fa ity androany ity dia tsy mandeha hono ny video search...hhmmm...

Ny dailymotion anefa ela beeee!!!

Dihy!!

kitjo | 13 Desambra, 2006 06:00

Za dia tia dihy..

DIhy hoa fa tsy mandihy..tia mandihy refa za rery tsy misy mahita...

Shakira no anisan'ny tena ankafiziko fa za mo mbo minatranatra reny bellydance reny...fa tsy mety mahay..tsy hita e!!!

Tsy haiko ny mametraka video ato !!!!

Mahaleo

kitjo | 13 Desambra, 2006 05:56

Io no mpanakanto tiaaako njinja njinja h@ zao aloha..

na feony na tonony!

Jereo ange ity e!

Embona sy hanina : Dadah sy Charles, mahavoa koa ilay bandy io an...releve mahatoky!

http://www.dailymotion.com/visited/tag/Mahaleo/search/malagasy/video/x9hug_mahaleo-embona-sy-hanina-dadah-char
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb