kitjo | 15 Desambra, 2006 18:53
Mirongatra dia mirongatra tokoa ny fividianana volamena ao madagasikara amin'izao..
isaky ny mamadika pejina-gazety dia misy dokam-barotra foana hoe "Mividy volamena-Cash"...sady olona samihafa daholo, tsy mba indray mandeha fa isan'andro mandritra ny taona...kanefa fantatra ny halafon'ny fanaovana ireny dokam-barotra ireny.
Fijeriko no entiko eto fa samia milaza!
Toa mamporisika ireo mpanendaka volamena ny toy izao raha ny fijeriko azy satria mangitikitika ihany isaky ny mahita ireo Pub ireo isan'andro!!!
Mankaiza ireo volamena ireo?
Inoako fa tsy mijanona ao Dago, sa ve ilaina anaovana fiomanana handraisana ny Jeux Olympiques any Chine @ 2008?Ny vy manko no fantatra amin'izao fotoana izao fa tena lafo be eran-tany satria angonin'i China aby!
henoy eto ny vaovao omaly hariva!
http://www.alliance92.com/rubriques/vm/14%20Desambra%20hariva.mp3
Reko t@ vaovao t@ Alliance92 androany hariva fa miroborobo koa ny fividianana "Varahina" eo @ La Reunion kely taloha no anaovana izany.
Araka ny volaza moa dia mahatratra eo @ 10kg eo no vidiandry zraeo isan'andor, ka samy tonga eo ny mpividy sy mpivarotra, Tsy misy tax amin'io...
Araka ny tatitra ihany koa dia nony tonga ireo mpanao gazety dia nitsoaka ireo mpividy, fa satria nahoana???
kitjo | 15 Desambra, 2006 17:24
Anisan'ny tena misy lanjany tokoa ny Blog amin' izao fotoana izao.
Raha eto SIngapour manokana dia maniry ohatry ny anana araka ny fiteny ary betsaka ny adihevitra sns indrindra mikasika fiainam-pirenena.
Misy akony betsaka eo @ fiaraha-monina ny voalaza @blog ka izao na ny governemanta aza dia manana ny blog-ny koa
Manaraka: Blog-na mpanao gazety, misy resaka mivantana na karajia inddray ary alefa mivantana @ tele
Santionany ireo fa dia efa samy manana ny fiainany marina e!
Mipetraka ny fanontaniana:
Tokony hanao toy izao koa ve ny any dago?
Ny tiako tenenina hoe mirotsaka mivantana mihitsy ny Hery fahadimy(internet) @ fiainam-pirenena ka hojeren'ny Mpitondra sy ny rehetra mivantana??
Tsy amin' izao aloha satria ny Mpanohitra miteniteny foana ireo hanasaritaka saim-bahoaka fa raha tsy resaka Politika Gasy tsy olana!
Mety ho hevitra tsara rehefa tonga ny fibra optika
kitjo | 15 Desambra, 2006 16:47
Anisan'ny tena manome inspiraka ahy io fikambanana io ary mahafinaritra na ny presentation an'ilay site fts aza
http://www.hopeformadagascar.org
kanto ny Vita Malagasy
kitjo | 15 Desambra, 2006 16:08
"Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina."
kitjo | 15 Desambra, 2006 14:08
Ohatry ny tsy misy mampiomehy mihitsy ato @ ty blog ty fa inona ny nanjo an'i kitjo????
Tandremo ry zareo ny fampiasana "ponctuation", inona moa ny dikany @teny Malagasy??
Izao ilay hoe Samy mafoaka!!!!!
Miala tsiny fa tsy mety raha avadika teny malagasy an!
nanoratra teny @ solaitra be ilay mpampianatra anglisy hoe :
" A woman without her man is nothing"
nasainy namerina nanoratra an'io ny mpianatra ary mametraka ny "ponctuation" arak any tokony ho izy.
Ny lehilahy rehetra dia nanoratra hoe:
" A woman, without her man, is nothing"
Ny vehivavy rehetra kosa dia nanoratra hoe:
" A woman: without her, man is nothing"Samy mafoaka eeeeeee
Ponctuation is powerful hoy ilay bokikely nozaraina tao am-pianarana nangalako an'io...
Efa mba betsaka ihany angamba no mahalala ahy kanefa samy manana ny fahitany azy koa!
« | Desambra 2006 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |