kitjo | 09 Janoary, 2007 13:48
Asa ianareo fa raha izaho manokana dia tena tia miaina ambanivohitra..
Tsy dia mijanona matetika ao Iarivo aho rehefa any Dago fa any ambanivohitr'i Betafo any, any amin' i bebe na any @ faritra atsimo any Isalo...
Ankoatra ny rivotra madio, dia eo ny fahasalamana avy @ sakafo, ny fahanginana, tsiron-tsakafo @ kitay, ny fifandraisan'ny olona samy olona.
T@ farany teo aho vao tonga saina t@ io fifandraisana io satria ny renibeko no zokiny indrindra (90taona) @ reo be antitra tavela ao an-tanAna...t@ 4 ora maraina dia efa nilahatra ny olona iarahaba azy Tratry ny taona ny 01 Janoary lasa teo, mivimbina akoho amam-borona na valopy misy "solom-bodiakoho" sy fanomezana hafa ihany koa! Hita hoe tena zava-dehibe mihitsy izany fiarahabana izany ho azy ireo n atsy fianakaviana aza!
Rindra, Bebe, Faniry, Mama, fianakaviana sy mpiara-monina ireo hafa
Ankoatra an' izay dia lasa mahazatra any isaky ny mahita olona: mifanena, na mandalo eo alatrano na rehefa mandalo an-tranon' olona manao oe "kory aby ooo"....Ary rehafa milaza ianao oe "mandrosoa" dia tena mandroso tokoa ilay olona dia mifampiresaka kely na manontany fahasalamana fts aza...
Ndeha hamonjy sasak' alina Reveillon! SOmary nijanona kely ny orana..tsy mbola misy jiro moa any ka maizina ery mitsaptsapa anaty fotaka...
Ny hoe "mifampihinana ny manta sy ny masaka" moa dia tena mbola iainana satria raha mahandro mangahazo ny ao atsimo dia manatitra ao avaratra..tahaka izany koa manome kely ny ao atsinanana ny ao andrefana rehefa avy nitango ravim-boatavo...
Cousin-ko sendra nandalo izao io eo io....ny fomba moa dia asiana ambiny foana ny sakafo amin'ny isan' olona satria raha sendra misakafo ianao no misy mandalo ka manasa dia tena miditra tokoa ilay olona na dia fandraisana anajara monja aza raha tsy tena hoe maika be!
Avy namaky dobo ka trondro ny laoka nolafihina sosety...eeehhh..tsy azo sary ry zareo mpamaky dobo, indrisy!
Ny isan'ny nanintona ahy koa, efa fomba fanao hatrizay ny manao "Azafady oo" rehefa mandalo tranon' olona raha sendra misy olona tazanao na avy lavitra aza. T@ ity ndray mitoraka ity vao talanjona aho satria nanontany ahy ilay zandriko kely hoe " Fa maninona no manao azafady foana e?"
Dia novaliako araka izay hoe izay no fomba rehefa mandalo tranon' olona na iza na iza...tsy afa-po anefa izy no sady nidoika hoe "Fa angaha azy ny arabe no atao azafady fa tsy ety an-tokotaniny ange isika fa arabe e"....
Marina tokoa izay raha @ fomba iainantsika amin' izao fotoana izao kanefa izay tokoa ilay hoe Fahendrena malagasy amiko...tsy hoe fangatahana lalana akory ilay "azafady" fa fanajana sa diso ve izany?
Ny tena tiako aloha dia ilay tsiron-tsakafo @ kitay e..hafa ange izany ry reto e...
toy izany koa ny anana hoe ianao mihitsy no mandeha mitsongo azy eny an-tsaha...laingom-boatavo sy courgette teto!
ny ranon' orana no andrasana andrahoana sakafo satria lavitra fatsakana...fa mangitsy be ny mandro aminy an..hahaha...nanao sasa vandana mihitsy aho t@ ilay vao maraina andeha hivavaka taom-baovao fa avy any am-piangonana vao namonjy renirano nandro...shuut!
Tratra atoandro ao am-bala ny omby fa mba fety ny andro dia tsy nandeha nandrasana...
Ny lalana no dia tena ratsy ary ny jiro koa tsy mbola tonga...efa eo am-panamboarana azy daholo ny atotan-taratasy ka asa!
Misy ihany ny paompy saingy tsy misy rano rehefa kely ny orana satria taritina mivantana avy any an-tendrombohitra ny rano...rehefa avy be anefa ny orana dia mandeha tsara ihany...soa fa tena efa zara raha misy ny doro-tanety any amin' izao fotoana izao nohon'ny fanentanana natao t@ mponina ary tsapany ny maharatsy izany
Hany ka voatery natsaka fa tsy ampy ny orana...saika tapaka ny hatoko nanao in3 miverina teo sady fiakaram-be no lavitra...ny tsy fahazarana koa moa no marina e....natao an-kafaliana le izy ka nahafinaritra...
Mbola hafa ihany ny any ambanivohitra..misaina ny ankizy na tsy manana az aka faly foana...mampahatsiaro ny t@ mbola kely.....mety hisy hitondra F1 reo ankizy reo any aoriana any iza no mahalala!
Samy manana ny fomba nankalazany ny alin'ny 31 desambra kosa ny iray tanana.
Ny tao am-piangonana dia alim-bavaka nisy "Asa sy fampaherezana"....tsy misy jiro fa "groupe" kely no nampiasaina ka ny micro sy ny orgue ary ny jiro teo an-dalatsara ihany no zakany...Tsilovina @ labozia ny Baiboly
Nifandimby ny ankizy sy ny tanora nihira niandrasana ny t@ 12 alina...
Nahavariana tokoa ny feon' ireo ankizy sasany. Manana talenta miafina!
hafakely kosa ny an' ity tokantrano iray teo am-pitan' ny fiangonana ity..
Nandefa "Tele" ry zareo natao teo an-davarangana..hira kilalaky sy ireo mihetsiketsika samihafa no nalefany ka teo an-tokontany ny olona sy ny hafa mpandalo no mandihy..natao farak' izay mafy ny volume...
tsy nividy akanjo vaovao angamba ny ray aman-drenin' ity zaza ity ka ny blozy nomen'ny fanjakana no nentiny nanao taom-baovao..tsy ratsy kosa ilay izy...tsy ilay tonga farany io satria maintso2 ilay tonga farany avy any Chine..
Mikarakara laingom-boatavo atao @ henakisoa naterin'ny olona alohan' ny hody!
malahelo sahady i raBebe fa andeha ny ankizy...mangina irery ao indray ( Maman'i Dadanay io)
rehefa voky dia nampirin' entana amin' izay ary andeha hamonjy renivohitra indray...kivy ery mbola hamakivaky ny lalana ratsy sady vao avy ny orana ny alina manontolo....
Eo anelanelan' ireo tendrombohitra roa ireo , ohatry ny misy lempok akely io no fandalovana t@ nandeha an-tongotra fahiny..."Angongoma" no anarany eo..misy loharano kely izay sy vatolampy fipetrapetrahana misy aloka hakana aina...Eo manko no misasaka ny 10km andehanana an-tongotra miala ny arabe...
tadidiko tsara mihitsy t@ fahakely @ iny isaky ny vacance mandeha mody any ambanivohitra manampy @ fambolena sy fiompiana, nianatra tao Antsirabe!
Miova tokoa ny tontolo na samy ambanivohitra aza vao mahita ny arabe "goudron" fotsiny....
Zay ndray ary aloha ny amin' iny!
tambanivohitra tokoa ange ty kitjo ty sao ianao mihevitra e..hihihi
kitjo | 09/01/2007, 19:29
tsa misy fisaorana fa dia napetraka mbo hojerena any aoriana any koa....
Tokinao | 09/01/2007, 19:34
Tena misaotra betsaka re ry kitjo fa mahafinaritra be anah ity lahatsoratrao ity. Lava le izy fa tena tsy nampaninona mihitsy ny namaky azy satria tena "kanto" e! ôtran'ny zarako aza le izy tsy ho tapitra miitsy. Mampanembonembona ny ambanivohitra rehetra efa hitako e.
Tena raha nisy ny fifaninanana lahatsoratra blaogy mahafinaritra indrindra dia ity anao ity no fidìko. Eny fa na dia mandray anjara daholo aza izao karazam-blaogy aman'arivony maneran-tany izao. Ny marina dia
... tsy misy tany mahafinaritra toa an'i dago e, ary tsy misy atakalontsika azy.
Mbola misaotra hatrany e! biz be. hihihi "Ho ela velona anie Madagasikara sy ny tantsaha mamelo-maso azy io.
kitjo | 09/01/2007, 19:49
hihihi
misaotra an'i Tokinao e!
Efa noezahina nafohezina araka izay tratra mihitsy fa mbola be ny tiana ambara sy aseho..hihihi
Nahafinaritra mihitsy na dia fohy aza ny fotoana..betsaka ny zavatra nitamberina tao an-doha...toy ny Mpitsoka mozika vao maraina sns...
asiana "tohiny" angamba @ manaraka...hihihi
Misaotra anareo mamaky koa e!!!
pissoa | 09/01/2007, 20:52
Hayyyy ! Tiako be. Tokony notantaraina lava kokoa ilay nandeha tongotra. hihihi
Tokinao | 09/01/2007, 21:15
Raha azoko tsara dia tambanivohitra moderna zany i kitjo a! hihihi
( hanomboka @'zay ny hanihaniko satria efa voalazako tetsy ambony ny resaka serié hihihi )
simplex | 09/01/2007, 21:30
ozy ny vazah hoe "east or west, home is best"
misaotra nitantara,
mampanembona ny tany niavina,
ps: ary mbola mitana kosa i bebe zany ra efa 90ans kle, sady mbola tsisy fotsy mintsy ny volony. Mety hahazo siecle 1 o ?
Tokinao | 09/01/2007, 22:21
Misaotra koa ry kitjo @
ao @ tahirin-tsary a! Tsy hita moa izay toerana hanaovana fanamarihana momba azy ireo ka dia eto za no nanoratra!
Dia asivo tohiny tokoa raha mbola mety fa de tianay foana e!
ika | 09/01/2007, 22:57
enganie ka ho azy tokoa izay. dia nolalovako aby niaraka t@ kitjo ihany moa ny ankamaroan'ireo toerana sary rehetra nelany kitjo oreo
nilasaka kely le fatsiarovan a
ika | 09/01/2007, 23:00
Saotra nanaiky nizara sy nampihaina ahy ny otran zao e
tiako le izy
Su | 10/01/2007, 12:28
Misaotra Kitjo. Mahamanimanina tokoa ilay izy.
Hay ve efa nizara blozy ny fanjakana talohan'ny nahatongavan'ireny maitsomaitso ireny e!
kally | 10/01/2007, 16:48
Misaotra Kitjo fa mahafinaritra be a!
Ary hitako tao ambony tao any ilay radio kasety nakantsika feo tamintsika nihaingo teny @ hira gasy sa tsary izy vy io?
Nitanontanona be ery aako tamin'ilay môngazo.
kitjo | 10/01/2007, 17:45
sali dol...
misaotra anareo eee...za ko ary mba mahatsiaro satria fohy ny fotoana!
pissoa> taloha t@ mbola kely za nianatra tao Bira nipetraka t@ havana fa ry Dada sy Mama tany ambanivohitra mamboly...dia rhefa vacance za no mody mankany amindry zareo manampy @ fambolena sy fiompiana satria particpation manome vokatra no nataondry zareo ho ahy...
t@ znay mbola tsisy tobil nankany fa hatreo Mateloana, andrefan' i Betafo no miala taxi-brousse, dia hatreo mandeha an-tongotra 10km...eo @ ilay Angongoma io no fakana aina misotro rano..rehefa tsara chance dia mba mahita sarety sendra maka entana (legioma, entan'ny bar sns) ka mba avelandry zareo mitaingina ny ankizy...fa za aloha dia @ lalamahitsy sady vetivety ihany no sahy mitaingina sarety fa matahotra e! Aleoko mandeha an-tongotra ihany....
Manga no betsaka manamorona ny lalana dia efa mivatsy sira raha mbola ts masaka..teo koa ny goavy sy rotra ary fary....
Misy renirano oe Fenoarivo izay alohan'ny hiditra ny tanAna dia eo no misasa daholo.....
kitjo | 10/01/2007, 17:47
Tokinao> hihihi
tsy haiko raha tambanivohitra moderna no filaza azy na tambanivohitra d'origine...
ny azoko lazaina fts dia mahay mi s'adapte @ fiainana rehetra aho ary tiako kokoa ny ambanivohitra raha mbola azoko atao ny misafidy!!!
zay no tsy dia itiavako lotra ny aty Singapour satria machine daholo izay atao..tsy misy intsony ny "interaction humaine" sns....lasa toy ny machine koa ny olona ary ny zavatra hanina sy ny fiainana ankapobeny dia lasa "sophistiquE" sady tsy natoraly
kitjo | 10/01/2007, 17:49
Su> tsy haiko na ny region Vakinankaratra manokana no nanome an' ireny na ny fanjakana foibe fa hoy fts ilay ankizy hoe nozaraina.....
Misy soratra ilay izy hoe " Faritra Vakinankaratra..Mianatra tsara!"
kitjo | 10/01/2007, 17:52
kally> enyyy..fa toko tsa afaka nihaino azony lany le pile nefa tsa nisy masoandro anahazana an l epile
fa toko schefa lany le pile ary d atanika @ masoandro d mande ndrayyyyy
kitjo | 10/01/2007, 17:56
simplex> tena mbola matanjaka mihitsy izy..tsy mbola manao solomaso na mamaky Baiboly aza!
tsy tia mihianna fanafody vazaha ihany koa fa dia tambavy sy zavatra maniry ao an-jaridaina ihany no ataony fanafody sy miotra...
taona vitsivitsy izy nianjera nitaingina sarety dia voahitsaky ny laroan-tsarety dia marary azy ny lohaliny rehefa mihetsika sy rehefa mangitsy....izay no maha-osa azy satria mianjera nddray...
Asa aloha fa dia efa hatramin' za mbola kely no efa natokany ny omby sy vary oe omena ny fokonolona rehefa maty hono izy..h@ lamba....dia nobedesina fts hoe zay no tsy mahafaty anao..hahaha....dia izao ny vola no apetrany fa sao manahirana olona hono..nefa izy vao mainka matanjaka....
rehefa lazain'ny olona izy hoe samy ho tratry ny 2008 dia tezitra...kanefa misaotra an' Andriamanitra ihany...hahaha
simplex | 10/01/2007, 21:50
zay no maha antitra azy, manahirana !!!
soa ihany aza fa mba tsy kizitina izy :)
tokony mijanona any ambanivohitra foana i toi ra te hatratra 90 zany ;)
bonne chance,
Tokinao | 10/01/2007, 21:57
Tena toy izany tokoa ny antitra a! hihihi Ny bebeko dia efa manakaiky ny 100 taona koa dia efa tsy andriny koa izay hahafatesany. Efa "faty mandehandeha" hoy izy mantsy ny tenany, nefa izy mbola salama tsara. Dia valiako fôna hoe : ny olombelona rehetra no faty mandende e! :-) Izany bebenay zany moa zareo dia olona natanjaka be mihitsy fahiny satria efa nadeha tongotra Manjakandriana - Andapa (diégo) taloha. Ny là lana hono dia manavatsava an'Alaotra iny, ary mian-trano amin'olona rehefa hariva ny andro. Dia 1 volana hono no nanaovan-dry zareo ( izy sy itompokolahy vadiny ) azy. Somary sarotra inoana nefa dia tena marina! Lehibe tao Manjakandriana manko izy, ary nifindra monina tany Diégo, t@'izany moa dia tsy nisy ny fiara.
kitjo | 11/01/2007, 04:10
O ry Tokinao, grave zany marina!
ny olona taloha kosa aloha dia matanjaka e...
Bebenay io ndray amin'izao d ts mety andende tsony oe mba entina maka rivotra..taloh aizy entina Tana na toeran-kafa tsy tamana fa tapa-bolana raha ela inddra...
Amin' izao na tsy salama aza hono izy avelao ho faty ho azy eo...mahagaga fa dia zany foana no averimberiny hoe tsy te hanahirana olona....
zatra nipetra-drery foana koa manko izy ka hitanao ihany hoe refa tena mijanona any ela lotra hoe herinandro mahery ny ankizy dia efa manomboka tsy azoazony satria miova ny fomba fiainany ( misakafo tara, mitabataba, sns..)
Efa mba betsaka ihany angamba no mahalala ahy kanefa samy manana ny fahitany azy koa!
« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |
Re: Fiainana ambanivohitra!
Rado | 09/01/2007, 18:11
Tsary d manana zavatra hotenenina firy anga fa d misaotra e. Milay tokoa ny fiainana any Ambanivohitra.