kitjo

Fiainana ambanivohitra!

kitjo | 09 Janoary, 2007 13:48

Asa ianareo fa raha izaho manokana dia tena tia miaina ambanivohitra..

Tsy dia mijanona matetika ao Iarivo aho rehefa any Dago fa any ambanivohitr'i Betafo any, any amin' i bebe na any @ faritra atsimo any Isalo...

Ankoatra ny rivotra madio, dia eo ny fahasalamana avy @ sakafo, ny fahanginana, tsiron-tsakafo @ kitay, ny fifandraisan'ny olona samy olona.

 

T@ farany teo aho vao tonga saina t@ io fifandraisana io satria ny renibeko no zokiny indrindra (90taona) @ reo be antitra tavela ao an-tanAna...t@ 4 ora maraina dia efa nilahatra ny olona iarahaba azy Tratry ny taona ny 01 Janoary lasa teo, mivimbina akoho amam-borona na valopy misy "solom-bodiakoho" sy fanomezana hafa ihany koa! Hita hoe tena zava-dehibe mihitsy izany fiarahabana izany ho azy ireo n atsy fianakaviana aza!

Rindra, Bebe, Faniry, Mama, fianakaviana sy mpiara-monina ireo hafa

 

Ankoatra an' izay dia lasa mahazatra any isaky ny mahita olona: mifanena, na mandalo eo alatrano na rehefa mandalo an-tranon' olona manao oe "kory aby ooo"....Ary rehafa milaza ianao oe "mandrosoa" dia tena mandroso tokoa ilay olona dia mifampiresaka kely na manontany fahasalamana fts aza...

Ndeha hamonjy sasak' alina Reveillon! SOmary nijanona kely ny orana..tsy mbola misy jiro moa any ka maizina ery mitsaptsapa anaty fotaka...

Ny hoe "mifampihinana ny manta sy ny masaka" moa dia tena mbola iainana satria raha mahandro mangahazo ny ao atsimo dia manatitra ao avaratra..tahaka izany koa manome kely ny ao atsinanana ny ao andrefana rehefa avy nitango ravim-boatavo...

Cousin-ko sendra nandalo izao io eo io....ny fomba moa dia asiana ambiny foana ny sakafo amin'ny isan' olona satria raha sendra misakafo ianao no misy mandalo ka manasa dia tena miditra tokoa ilay olona na dia fandraisana anajara monja aza raha tsy tena hoe maika be!

Avy namaky dobo ka trondro ny laoka nolafihina sosety...eeehhh..tsy azo sary ry zareo mpamaky dobo, indrisy!

 

Ny isan'ny nanintona ahy koa, efa fomba fanao hatrizay ny manao "Azafady oo" rehefa mandalo tranon' olona raha sendra misy olona tazanao na avy lavitra aza. T@ ity ndray mitoraka ity vao talanjona aho satria nanontany ahy ilay zandriko kely hoe " Fa maninona no manao azafady foana e?"

Dia novaliako araka izay hoe izay no fomba rehefa mandalo tranon' olona na iza na iza...tsy afa-po anefa izy no sady nidoika hoe "Fa angaha azy ny arabe no atao azafady fa tsy ety an-tokotaniny ange isika fa arabe e"....

Marina tokoa izay raha @ fomba iainantsika amin' izao fotoana izao kanefa izay tokoa ilay hoe Fahendrena malagasy amiko...tsy hoe fangatahana lalana akory ilay "azafady" fa fanajana sa diso ve izany?

Ny tena tiako aloha dia ilay tsiron-tsakafo @ kitay e..hafa ange izany ry reto e...

Matin' ny setroka mihitsy teo...saingy mora lany kely ilay kitay kininina fa tena maina tsara

 

toy izany koa ny anana hoe ianao mihitsy no mandeha mitsongo azy eny an-tsaha...laingom-boatavo sy courgette teto!

 

ny ranon' orana no andrasana andrahoana sakafo satria lavitra fatsakana...fa mangitsy be ny mandro aminy an..hahaha...nanao sasa vandana mihitsy aho t@ ilay vao maraina andeha hivavaka taom-baovao fa avy any am-piangonana vao namonjy renirano nandro...shuut!

 

Tratra atoandro ao am-bala ny omby fa mba fety ny andro dia tsy nandeha nandrasana...

 

Ny lalana no dia tena ratsy ary ny jiro koa tsy mbola tonga...efa eo am-panamboarana azy daholo ny atotan-taratasy ka asa!

 

Misy ihany ny paompy saingy tsy misy rano rehefa kely ny orana satria taritina mivantana avy any an-tendrombohitra ny rano...rehefa avy be anefa ny orana dia mandeha tsara ihany...soa fa tena efa zara raha misy ny doro-tanety any amin' izao fotoana izao nohon'ny fanentanana natao t@ mponina ary tsapany ny maharatsy izany

 

Hany ka voatery natsaka fa tsy ampy ny orana...saika tapaka ny hatoko nanao in3 miverina teo sady fiakaram-be no lavitra...ny tsy fahazarana koa moa no marina e....natao an-kafaliana le izy ka nahafinaritra...

 

Mbola hafa ihany ny any ambanivohitra..misaina ny ankizy na tsy manana az aka faly foana...mampahatsiaro ny t@ mbola kely.....mety hisy hitondra F1 reo ankizy reo any aoriana any iza no mahalala!

 

Samy manana ny fomba nankalazany ny alin'ny 31 desambra kosa ny iray tanana.

Ny tao am-piangonana dia alim-bavaka nisy "Asa sy fampaherezana"....tsy misy jiro fa "groupe" kely no nampiasaina ka ny micro sy ny orgue ary ny jiro teo an-dalatsara ihany no zakany...Tsilovina @ labozia ny Baiboly

Nifandimby ny ankizy sy ny tanora nihira niandrasana ny t@ 12 alina...

 

Nahavariana tokoa ny feon' ireo ankizy sasany. Manana talenta miafina!

 

hafakely kosa ny an' ity tokantrano iray teo am-pitan' ny fiangonana ity..

Nandefa "Tele" ry zareo natao teo an-davarangana..hira kilalaky sy ireo mihetsiketsika samihafa no nalefany ka teo an-tokontany ny olona sy ny hafa mpandalo no mandihy..natao farak' izay mafy ny volume...

 

tsy nividy akanjo vaovao angamba ny ray aman-drenin' ity zaza ity ka ny blozy nomen'ny fanjakana no nentiny nanao taom-baovao..tsy ratsy kosa ilay izy...tsy ilay tonga farany io satria maintso2 ilay tonga farany avy any Chine..

 

Mikarakara laingom-boatavo atao @ henakisoa naterin'ny olona alohan' ny hody!

 

malahelo sahady i raBebe fa andeha ny ankizy...mangina irery ao indray ( Maman'i Dadanay io)

 

rehefa voky dia nampirin' entana amin' izay ary andeha hamonjy renivohitra indray...kivy ery mbola hamakivaky ny lalana ratsy sady vao avy ny orana ny alina manontolo....

Eo anelanelan' ireo tendrombohitra roa ireo , ohatry ny misy lempok akely io no fandalovana t@ nandeha an-tongotra fahiny..."Angongoma" no anarany eo..misy loharano kely izay sy vatolampy fipetrapetrahana misy aloka hakana aina...Eo manko no misasaka ny 10km andehanana an-tongotra miala ny arabe...

tadidiko tsara mihitsy t@ fahakely @ iny isaky ny vacance mandeha mody any ambanivohitra manampy @ fambolena sy fiompiana, nianatra tao Antsirabe!

 

Miova tokoa ny tontolo na samy ambanivohitra aza vao mahita ny arabe "goudron" fotsiny....

 

Zay ndray ary aloha ny amin' iny!

tambanivohitra tokoa ange ty kitjo ty sao ianao mihevitra e..hihihi

 

Hevitra

«Mialoha   1 2

Re: Fiainana ambanivohitra!

kitjo | 11/01/2007, 04:12

simplex> za aloha dia tia any..ary mety ho salama tokoa raha any..
fa saingy tsy maniry ho tratra antitra be zany za k! asa aloha e!

ohatry ny mijaly iany ange refa antitra lotra e...sady mampijaly ny ankizy ny tena koa mijaly...

zay ataon' Andriamanitra kosa aloha e!

Re: Fiainana ambanivohitra!

vakiniadiana | 11/01/2007, 06:19

Tena mankasitraka Kitjo nizara, mahafinaritra tokoa ny fiainana ambanivohitra, fa ny fiainana any no mamoiseho ny fanakakaizan'ny olombelona ny tany sy ny tontolo iainana.
Ary i Kitjo ve tsy nampitomanian'ny afo kitay ? hihihi

Re: Fiainana ambanivohitra!

Tokinao | 11/01/2007, 06:43

"misakafo tara, mitabataba a!?" hihihi tena ireo miits le zavatra tsy tian'ny antitra. Ny tsy tiany fahatelo koa moa dia ilay "tsy mba rarahìna na resahina ". Na izaho tsy eo @ toerany aza aloha e!

Re: Fiainana ambanivohitra!

kitjo | 11/01/2007, 12:40

vakinidiana> kory!
tsisy fisaorana ooo
tena nampitomaniany mihitsy fa soa ihany fa maina tsara dol reo kitay reo efa notehirizina tao fa @fotoanan' ny orana oh zao manko tsy mahamaina kitay ka le izy lena iny no tena loza....

Re: Fiainana ambanivohitra!

kitjo | 11/01/2007, 12:44

Tokinao> nisy fotoana izy taloha mankany aminay tao Bira na Tana..ka izy efa zatra mihinam-bary @ 5 hariva nefa izahay @ 8...dia andrahoina sakafo mitokana izy d matory aloha nefa ny olona mbola mifamezivezy sy mikotaba ka zay lay tsy zakany hoe manahirana olona nefa izy koa no tena sahirana..hahahaha

hahahha...marina ko io fahatelo lazianao io satria ny sofiny koa manko no tsy d mahare lotra raha tsy somary miteny mafimafy...d inddray ny ankizy samy eo dol...d kamo hitabataba aminy na miresaka zavatra hafa hitany miomehy dol mafana ny resaka kanefa tsy fantany izay resahina....dia tezitra izy no sady hoe "fa ia moa ry kala no nandehananao aty fa raha hiresaka nareo andeha ary ivelany ary.."hihihi..tezitra izy manao an'io an!

Re: Fiainana ambanivohitra!

rrdo | 11/01/2007, 16:16

Miresaka momban bébé ndray kitjo a!

Re: Fiainana ambanivohitra!

kitjo | 11/01/2007, 17:40

eee...
fa za ko zao mba ho bebe..hihihi..asa hanao ahoana angahaaaa?

Re: Fiainana ambanivohitra!

lagoon | 12/01/2007, 21:32

Milay ilay reportage kely miaraka @ Bebe e.Tena ohatran'ni-voyage niaraka t@nao tany mihintsy mijery ireto sary sy mamaky ny reportage.

Re: Fiainana ambanivohitra!

kitjo | 14/01/2007, 09:54

hihihi..
d renao ve le natontotonton'ny lalana?hihihi

Re: Fiainana ambanivohitra!

kitjo | 15/01/2007, 18:18

haha :D

manandrana ilay kisarisary kely za fa tena kamo be hanoratra ry zareo an!
betsaka no tokony hotantaraina fa tsy misy an el fasiana sary tsony oa ny blaogiko e...d kamo b za zany mametraka resaka tsisy sary zany..hahahaha
lasa tsy voateny ny tiako ambaramampme reto smiley reto zany O:|

:*

Re: Fiainana ambanivohitra!

rvoulah | 16/01/2007, 08:27

kitjo> tehaka be d b ho androky, tena tsara be ilay lahatsoratra ary ireo voalazandroky ireo aby ny fiainana ambanivohitra. Anay moa de efa hatreny ambanivohitra eny ihany ka tsa de vahiny amiko loatra ny fiainana . Madio ery ny rivotra , ny feomborokely ro mamoha amy maraina , mangaza anatsipolitra sy ravimbomanga sefa tsa misy lôka, ny akoho ao atokotany ihany no vonoana sefa lahady ny andro!!! zany no tena fiainana ary marina nendroky fa aty amin'ny tany misy atsika efa voasolon'ny machina sy ny teknolojia lasa lavitra daholo zany rehetra zany !! biz b

Re: Fiainana ambanivohitra!

kitjo | 16/01/2007, 11:49

enyyy...
toko na ny anana aza re maitsy hoe samihafa ny tsirony..toa matsatso izany..
mahandro tisam manko aako io zao.. :P biz

Re: Fiainana ambanivohitra!

hasina | 17/01/2007, 13:58

akoury yyiii !! tena mifandray mahintsy ary ny tadin-dokangatsika zany ry Aly fa AH kou tena aleoko any an-tanana . Tena raha izaho manokana aloha dia azo faritana tsara hoe tambanyvohitra e! Ry Dada sy Neny avy any , Ry bebe sy dadabe kou mbola any ... Tsisy ohatran'ilay vao mifoha de madio be ny rivotra fohana e ! snif lasa malahelo a zany :'(

Re: Fiainana ambanivohitra!

kitjo | 17/01/2007, 18:59

hiihhhiih ;)
toko itovizana zanyyy...
ny aako zao ny tena alahelovako miakatra tsara mitsy zay ny katsa-maitso...daaaa....mamy ery!!

Re: Fiainana ambanivohitra!

Tokinao | 24/01/2007, 20:49

Tena te hinana an'izany tisam zany zao za :) . de ro mazava misy patsa koa! hihihi

Re: Fiainana ambanivohitra!

kitjo | 25/01/2007, 19:25

Mora atao ange zany ry Tokinao e!!!
Mividiana lapoaly kely anaovanao tsikonikonina ao...ihhiihhihi

manafara ilay "romazava" an' ny Bongou avy any Dago, hena omby sy anana ny ao anatiny...tsara be lay izy ary hafanaina fts...

Re: Fiainana ambanivohitra!

Tokinao | 25/01/2007, 20:58

efa hitako miints ireny kitjo fa noheveriko ho tsy dia tsara dia mbola tsy nanadrana aho. Misaotra nanoro hevitra fa dia hanafatra tokoa e :)

Re: Fiainana ambanivohitra!

kitjo | 26/01/2007, 03:17

eee...
aiza ndray ary no misy anzany tsy dia tsara izany e!
zany hoe hafa ihany aloha lay mbola avy eny an-tsena fa na zany aza tsara noho le anana aty ivelany matsatso vel!

lay anamamy no tena tsara..asiana an le anamalaho..haha..fa le Romazava no mety ho an'ny olona tsy afaka mahandro satria hafanaina fts..hihihi

misy Koba koa (oh le eny mahamasina) ho an zay hanatavy tena..hihi

«Mialoha   1 2
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb