Onjam-piainana!!!
kitjo | 17 Janoary, 2007 09:01
Voakitika kely ny foko androany...
Toy izao ny fandehan' ny tantara...
misy namako iray, izay tena toy ny rahavaviko mihitsy moa izany...zandriko kely fotsiny.
T@ mamany bevohoka azy dia "nitsoaka" ilay rangahy.....lehibe teny ihany anefa izy ary tafita tokoa satria manana toerana manana ny maha-izy azy aty ivelany aty ny mamany..
Izy kosa efa nahavita ny fianarany ary efa manana Master...
Raha nanontany azy aho fahiny ny momba ny rainy io dia tsy te hiresaka mihitsy izy.."ary tsy te hahalala azy mihitsy aho", hoy izy, ny amin' izao aloha fa ny aoriana kely tsy fantatro...tsy nisy nilaza taminy mihitsy koa izay momba an' io rainy io ary tsy nanontany mihitsy koa izy. Tsy fantany akory na gasy na vazaha....naheno resaka ambadika manko izy fa hoe "tsy gasy"!
Sendra nody tany Dago ny mamany ka somary nananihany azy, "vao haingana" raha mba te ahafantatra ny rainy amin' izay izy..."noheveriko ho mananihany izy satria fantany fa tsy mbola vonona amin'izany mihitsy aho", hoy izy...
Kanjo.....ilay ramatoa tany Dago dia tena nitady ilay rangahy tokoa...dia nifankahita ry zareo.
t@ andro nitsingerenan' ny taonany farany teo dia niantso azy ilay Rangahy ary nanambara fa izy tokoa ny Rainy. Nifona izy t@ izany ary nilaza fa nisy fotoana dia tena nitady azy mianaka izy saingy notoherin' ny fianakavian-dRamatoa fa hoe "tsy mila anao intsony izy mianaka"...ry zareo koa t@ izany efa tsy tany Dago intsony..
Tsy nampahafantarin' ny fianakaviana andry zareo rahateo ny hoe nitady azy ilay rangahy...niezaka hono izy fa rehefa tena "tsy hita trace" dia nanambady ilay rangahy...
"taitra be aho fa noheveriko ho nisangy i Neny nilaza ho nitady azy tany Dago ampahafantarina ahy"..."ary tena kenda tanteraka aho nifampiresaka taminy"
" Sady faly ihany aho satria sitrapon' Andriamanitra matoa nifankafantatra ihany izahay mianaka...sahirana ihany koa satria mbola tsy mamela azy tanteraka ny foko ary izay no mahatonga ahy mbola tsy vonona mihitsy ny hifanatri-tava aminy"...
Efa naniry ihany moa izy ny ahafantatra azy fa saingy ny fotoana hoy izy no tena tsy fantatro satria tena mbola tsy vonona mihitsy aho!
Rehefa niresaka izahay roa, ny hariva teo, nitantara ny fandehany rehetra izy....na dia somary ho sangy zary tenany aza no nataony, dia hitako fa mbola misy "alahelo sy hatezerana" miraikitra mihitsy ao @ sisin-tsisin' ny fony ao...izay iriany iadiana ihany fa tsy mbola resiny!
Ny tena nampisento ahy dia izy nilaza, somary niomehy toa nisangy, hoe "afaka ny mieritreritra hanambady amin' izay aho izany"
Na dia tsy mivantana aza angamba ny fahazoako azy....dia tiany ambara ny hoe mba hisy Ray hitantana azy rehefa mivoaka hanambady....
Eeehhh...izaho izany moa mba ahoana!!!
Mbola hitohy