kitjo

Jus de bozaka!

kitjo | 13 Febroary, 2007 19:15

Zavatra somary nanaitra ahy t@ vao tonga taty ireo karazan- tsakafo tsy mahazatra...zay ny maha-kely maso ny kely maso, tsy ny sinoa ihany

 

Ny tena tiako dia ny voam-boatavo zay endasina toy ireny voanjo ireny ary indindra fa ny 'jus de bozaka:

                                                     

 

Bozaka tena bozaka an! irony karazany lavalava irony fa tsy haiko ny tena anarany ara-tsiantifika. Mety azo jerena sao misy any Dago...hihihi

Amidy @ can na koa tahaka ity @ sary ity izy io.

Misy koa ny amidiny @ sachet ka atao "dite" ny fanaoko azy matetika fa mampatory be an!

Tsara dia tsara ny tsirony na renao aza ilay fofona bozaka..ihihi (hita fa bozaka ko).

 

Izay olona Gasy sendra mandalo aty ampanandramako an' io aby! Misy no tonga dia faly te hanandrana, misy somary kendakenda fa mikiry ihany ny vavany na tsy manaiky aa ny sainy,

Misy moa dia mamaly ankitsirano hoe :"Ko raha tsy ombin-dRavalomanana koa!".hihihiih

 

Nojereko t@ net ny tena asany ankoatra ireo dokam-barotra hitako aty ka toy izao ny filazany ary mino aho fa betsaka izany ny mpisotro an' io.

http://en.wikipedia.org/wiki/Wheatgrass

 

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb