kitjo | 12 Febroary, 2007 07:19
Faly koa fa vita ny Fianarana sy izay rehetra natao taty
Faly fa hihinana ireo mofo gasy sy ramanonaka isa-maraian eo Analamahitsy. Ny kitoza sy vary @ anana..ny hena renao ho matsiro tsara, ny legioma sy voankazo "frais" vao notazana na notangosana, ny lasopy sy kopoze, nem sy sambos..
....eny e, sakafo kosa aloha dia tsy lazaina intsony e
....
Etsy ankilany kosa anefa, toa malahelo sahady aho izany:
Malahelo handao ny ankizy, ny kivanivany, ny adalana sy fifanadalana ary indrindra ny fiarahana na t@ mora na t@ sarotra, ny fifampizarana, ny fifanampiana, ny fiaraha-misakafo, ny fiaretan-tory manao devoir mifanampy daholo(hihihi), ny fanadiovana rano tamba-be (haha..rehefa ho avy Maman' i Lova tadidiko tsara tao Viewpoint) , ny fanaterana sy fitsenana eny @ aeroport (leo anay mihitsy angamba le Changi airport), fifanadalana @ telephone ra vao misy numero vaovao (haha..nisy maromaro ihany ny nitomany t@ io an), ny fifampitarihana etsy sy eroa , tsy voatanisa e!!!!!
Hhmm..nandeha kely somary nanao tour tamin' ny bus aho t@ zoma avy nianatra....toa nalahelo sahady ity tanAna ity aho, izay tsy ahy akory. Asa re nahoana!
- rehefa tsisy atao na koa te hilamindamina dia mankeny @ Parc public ireny na mipetrapetraka @ "Cafe", ary indrindra any @ "library" mamaky boky..izay fantatro fa tsy ho ataoko mihitsy any Dago. Nddray ange ka tsy mamaky boky akory fa mijery sary fts sy "excuse' fts ipetrahana eo e! hihihi
- 2 taona izahay nipetraka tao Bayshore fa tsy mbola tadiidko izay hoe nanidiana trano t@ fanalahidy...tato @ Marine Drive moa inddray mba hoe mitandrina satria mifanatrika @ olona hafa ny varavarana...kanefa dia apetraka ao ambany "tapis" famafan-tongotra ihany lay izy
Any Dago manko dia ifampitadiavana tokoa rehefa mba poritra any am-pandehanana any io "tranokely" io..
Tsy ho voatanisa angamba raha izany rehetra zany, fa tombony ho ahy kosa anefa ny fodiako matetika tany Dago satria 4 taona nipetrahako teto Singapour izay dia indroa isan-taona eo aho mandeha mody.
Tsy dia hisy hoe fiovana be amiko fa nety tamiko daholo na ny tany na ny taty..afatsy ireo fahazarana kely vitsivitsy isan' andro ireo.
Za raahteo mbola tsy maintsy hiverimberina aty ihany!!!
Andeha ‘hangoron’entana” aloha e..inty no tonga @ ilay fiteny hoe “Mody amin’ ny taniny ny Jiosy”
Asa vare ny dikan’ izy io e????
Efa mba betsaka ihany angamba no mahalala ahy kanefa samy manana ny fahitany azy koa!
« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |