kitjo | 18 Desambra, 2006 18:10
Pppffff...
mandreraka ny service ao Dago
Efa 1mois nanao reservation, nefa mba hoe aleo any @ agence a Dago no mba manao resa fa mba manampy azy!!!
Efa haka ny billet vo oe misy zavatra tsy mety....
@Zoma no tokony depart ka asa fa kivy tanteraka aho ity...soa iany fa nanao reservation double aty fa saingy mandreraka be ilay via Bangkok no sady ela be ary tsy mety amiko ilay date retour ka dia asa!!!!
Mahakivy....za nefa efa plan b mba hanao fety any Dago na dia fotoana fohy 10andro monja aza!!!
Dia miandry izany fa Gasy aloha hita eo zay fivoakany!!
kitjo | 18 Desambra, 2006 02:41
"Fa inona no fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy, [Na: ratsy fanahy.] raha maito ny ainy, Ka [Na: Fa inona no fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy, na dia mahazo harena be aza. Raha, etc.] tsoahan'Andriamanitra ny fanahiny? " Joba 27:8
Niara-nidinidinika t@ mpiara-mivavaka aho omaly ka sendra tafaresaka momba sinoa mpanakarem-be eto SIngapour...tsy haiko manoratra ny anarany fa aleo jereko rehefa avy eo (sao tapaka ny inspiration-ko..hhihhi)
Ho an'ny sinoa manko dia rehefa misy manankarena ao @ fianakaviana dia tsy maintsy manana daholo..ary rehefa miteny hoe "....family" dia tena hoe "ao zany!"
Ny nahagaga an'ity rangahy ity dia manam-bady aman-janaka izy, kanefa kosa ny hareny rehetra dia nanokafany Oniversite any Chine, @tany nihaviany, saingy eto SIngapour izy no mipetraka.
@izao fotoana izao dia bakiropitra ny orinasany kanefa tsy mampaninona azy ary notokanana ilay oniversite nampitondraina ny anarany.
Noenjehin' ireo fianakaviana Sinoa matanjaka izy noho izany kanefa tsy taitra fa hoe "ny fiaraha-monina hoy izy no fianakaviako...ary izaho, hoy izy, tsy nanome vola fa "fampianarana/education" no omeko azy dia anjarany no manitatra an' izay!
Ny tsikera azony dia hoe "anti-chinese tradition"..satria tena mifanohitra @ fisainana sinoa mihitsy ny hoe andeha hanome olon-kafa raha tsy manana ny fianakaviana
Teo dia tsaroako indray ilay fahendren'ny Ntaolo manao hoe "Ny fianarana no lova tsara indrindra"
Mampisaina!
kitjo | 16 Desambra, 2006 06:46
Mahagaga tokoa fa:
Kitra: ny Frantsay dia mainty
Basket: Ry zareo avy ao Qatar, t@ Asian games vita omaly dia mainty daholo koa!
Fa na iznay aza nataon'ny kely maso mamay!!!
http://www.channelnewsasia.com/stories/afp_sports/view/247469/1/.html
Izao izany ny arabo aminy..hahaha
kitjo | 16 Desambra, 2006 06:22
Nalaiko tao @ blog an' Ikaretsaka!!
kitjo | 16 Desambra, 2006 05:40
Androany 16Dec
Ohabolana 1:7
" Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahalalana; Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana"
Efa mba betsaka ihany angamba no mahalala ahy kanefa samy manana ny fahitany azy koa!
« | Desambra 2006 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |