kitjo | 29 Desambra, 2006 16:02
Kory aby!
Manamarina kely ilay nolazaiko aho angamba t@ ilay korontana Analakely...
Jentilisa, efa mahazatra ihany mahita korontana Kermesy sns hatrizay fa tsy nampoiziko oh zao ny teo @ avenue..raha ANtsonjombe na oh znay mba tsy maninona...misy koa ireo manege sy fakana sayr miarak @ Dadabe Noely tsy maninona fa ireo loka maro samihafa no hitako tena nanimba endrika..hany ka na ny olona aza matahotra hitondra ny zanany eny fa miafiafy ety @ sisiny maka sary fts
Jereo ange ireto sary manaraka ireto
Ny masikita sns..toaka!
(tohiny)kitjo | 26 Desambra, 2006 14:06
Salama dol
mba manararaotra mitsidika kely e
samy tratry ny Krismasy dol d mirary fety sambatra
milamina aty sady mangingina
manaraka ny avenue sy behoririka iny no mikorontana bordel be
misy kermesy sns am avenue
kodiakely, manezy; loka samihafa; masikita sns sns
mikorontana b mitsy fa hita oe faly ny ol na zany aza
samy ho tratry ny taona e...
tafiditrra antanety avaratra andrefana iny ny cyclone
eto Iarivo aloha dia merimerika tsy mijanona ny andro...mitsitapitapy tdy d tena oe avy be...azo iafiana tsara na zany aza
Manaova fety sambatra dol e...
Biizzz
kitjo | 22 Desambra, 2006 17:07
Eto Bangkok aloha transit 2h...soa fa mba fohy2 ihany
12h05 alina ora SIngapour izao...misy 1h ny elanelana ka tsy haiko oe 1h mialoha aty sa tafara...hahhaha..fantatro fts fa tsy ho tara aho satria eto akaikin'ny boarding room...tazako eto aby ny Gasy andeha hody..lol
Tsy mba toy ny any Singapour moa eto..ilay aeroport vaovao...tsy misy internet gratuit ary tsy misy wireless koa...
Voatery nividy carte net 100baht na 7000ariary(efa mahay ariary tsara kosa an..lol)..misy email maika tsy maintsy nalefa..20mn no azon' izay hono...dia manararaotra nitsidika ato fa mba misy ambiny. Lafo izy zany le....!!!
Malalaka be ilay aeroport vaovao eto Bangkok. Ngodabe mihitsy fa dia tsy misy inona inona fa banga be..soa fa mba misy kisarisary ny rindrina sasany raha tsy izany vy be dol zay jerena...tsy haiko na zatra ny aeroport SIngapour koa ny masoko...
Oadray, teo am-panoratana an'ity aho dia gaga fa tapaka ilay connexion...dia ni login in @ le PIN dia soa ihany tsy nikatona ity....20mn hoy izy ilay 100bht kanefa vao tsy 4mn nandefa email sy nanokatra ity akory aho dia izao indray efa 54bht hono sisa...
vao nosokafako voalohany aloha ilay izy avy nampiditra ilay PIN tonga dia 19segondra nisoratra teo...Fangalarana be manadala....
Dia mazotoa daholo ry zareo ahhh!!!!
ANy Dago indray manoratra raha afaka...efa tsy isan'androko intsony ny ho sokajin'ity aloha ato ho ato fa mety ny isaky ny 3 na efatra androko...hahaha
Tafandria mandry izay hatory ary mazoto aizay hamonjy fiasana na fianarana e...maztoa homana ny hisakafo....
Biizz dol!!!
kitjo | 22 Desambra, 2006 03:28
Dia hanainga moa iznay afaka 6 ora eo ho eo...
Koa dia mirary fety sambatra sy finaritra ho antsika rehetra sy ny fianakaviana e! Samy ho tratry ny taona vaovao aby koa!
Ao @boarding room rfveo mety mbola mi connecte kely @ wireless fa refa any Dago alo ngamba d email ihany...hihihihi
Enga anie tsy hisy ny korontana sao sanatria za taraiky any no sady mampalahelo ny mponina...Inoako aloha fa na hisy aza dia kely fa tsy ho grave be ary tsy haharitra e!
Ao @ blaogiko anankiray misy hirahira ahatsiarovanareo anah mandra-piveriko e..hihihihi
'Ndao fa vloum ooooo!!!!
kitjo | 20 Desambra, 2006 16:24
Oouufff...
Dia lasa ihany aho izany ho any an-tanana..hanao fety...hiihihih
Tsy ni-ouf mitsy za raha tsy tety an-tanana ny billet..hahahha
Hanao to-do list kely zany satria 12andro monja ka araraotina tsara
- Mamangy fianakaviana
- Rendez-vous nalaina:
- manao volo
- manao controle maso
- manao controle nify + detartrage (kay le, marary io)
- massage lamosina ao @ Homeopharma..lol..io tsy azo ambaniana!!
- Sakafo..hahaha...io kitjo io!
- vokatra izao ny karazam-boankazo (letchis, manga, paiso, poma, poara sy voaloboka ve efa misy?...)
- henakisoa sy anamamy d lasary voatabia
- ron'anamamy @ jumbo...mbola hiakatra tension ty kitjo ty fa!!!
- tsaramaso sy sosisy..hahaha
- koba mahamasina refa alakamisy
- mofo mangahazo le eny @sisiny roapolo ireny, vo mafana @6 eo ho eo
- kopoze ao @ Fanantenana
- Masikita eny Fenoarivo na any Bira..mmmhhh avec le schochy voandro
- Trondro maina (le mainty2 iny) atao ro @anamalaho sy angivy..oouuhhh
- Trondron' Itasy nahandro gasy
- katsaka toto-tanana malemy tsara sy ronono..miam
- vary @anana mazava ho azy
- hena omby ritra sy lasary voatabia
- rehefa fety d le henakisoa sy vorona..hihihi
- adino teo nefa zava-dehibe ny mofogasy sy ramanonaka..Analamahitsy!
- Miantsena voandalana entina miverina
akanjo: tunik na t-shirt baobab ho an'ny ankizy
kaly: anana @boaty sy ravitoto
sokola noir ao @ Robert, koba ravina, kitoza fume (Shoprite), sosisy gasy hamainina tsara, biski BOLO, biski Gouty sy FREGO, bonbon chocomin, bonbon voanjo, pate de fruits, cafe Tsy lefy na TAF, The Sahambavy,
Punch coco sy Cafe Dzama..io tsy adino mitsy..haha sy Divay
Infusion karazany Homeopharma
Reo ihany aloha no tadidiko izao
Oooppsss....Maka sary saika adino..hahaha...d miserana kely mitsirika ato manadala olona..ihihi
Efa mba betsaka ihany angamba no mahalala ahy kanefa samy manana ny fahitany azy koa!
« | Desambra 2006 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |