kitjo

Herinandro sisa!!!

kitjo | 12 Febroary, 2007 07:19

ouufff...
Ouf of relief..fa OUF somary malahelo ka mampisento.
Nifoha maraina teo tokoa manko vao tonga saina fa hay herinandro monja sisa dia hifarana hatreo ny fiainako eto Singapore. Ny entana tsy mbola voapirina, toa tsy mbola mieritreritra ny handeha izany akory ary aho! Mbola tsy vonona e...
 
Etsy andaniny, faly fa "hody", hamonjy ny fianakaviana; hiasa amin' izay, ho an' ny fianakaviana, ho an' ny Tanindrazana, ho an' ny manodididna ary...ho an' ny tena!

 

 

Faly koa fa vita ny Fianarana sy izay rehetra natao taty


 

Faly fa mba mahatsiaro tena ho lehibe e! hiatrika adidy sy andraikitra vaovao.
Faly t@ ireo zavatra rehetra niainana, fifaliana rehetra teto Singapore...indrindra ny fiainana niarahana t@ Diasp na MADASING rehetra "toute generation"
Faly fa mba tsy ho simba intsony ny akanjo fa hosasana @ tanana fa tsy machine intsony

 

 


 

Faly fa hihinana ireo mofo gasy sy ramanonaka isa-maraian eo Analamahitsy. Ny kitoza sy vary @ anana..ny hena renao ho matsiro tsara, ny legioma sy voankazo "frais" vao notazana na notangosana, ny lasopy sy kopoze, nem sy sambos..

 

....eny e, sakafo kosa aloha dia tsy lazaina intsony e

....
Faly fa mba afaka hitondra fiarakodia, aty manko tsy ahazoana hanao izany mihitsy 

 


Etsy ankilany kosa anefa, toa malahelo sahady aho izany:
Malahelo handao ny ankizy, ny kivanivany, ny adalana sy fifanadalana ary indrindra ny fiarahana na t@ mora na t@ sarotra, ny fifampizarana, ny fifanampiana, ny fiaraha-misakafo, ny fiaretan-tory manao devoir mifanampy daholo(hihihi), ny fanadiovana rano tamba-be (haha..rehefa ho avy Maman' i Lova tadidiko tsara tao Viewpoint) , ny fanaterana sy fitsenana eny @ aeroport (leo anay mihitsy angamba le Changi airport), fifanadalana @ telephone ra vao misy numero vaovao (haha..nisy maromaro ihany ny nitomany t@ io an), ny fifampitarihana etsy sy eroa , tsy voatanisa e!!!!!

 


  
 

Hhmm..nandeha kely somary nanao tour tamin' ny bus aho t@ zoma avy nianatra....toa nalahelo sahady ity tanAna ity aho, izay tsy ahy akory. Asa re nahoana!

 


 

Asa angamba mety nohon' ny fahazarana kely madinidinika ary ahiako fa hampisy fiovana sy fahasahiranana kely rehefa tonga any Dago:
Raha tsy hilaza aho ohatra ny amin' ny:
- bus: any anaty bus manko no mba fijereko vaovao @ tele, any milamina tsara...misy clim, tsy misy maneritery, fotoana teny mety mihitsy hatoriana..

 


- mampiferon' aina ahy mijery olona manary fako eny an-dalana matetika ao Dago , fa na izany kosa ary mandainga aho raha hilaza fa tsy efa misy fiovana lehibe ny fahadiovana ao dago amin' izao

 


 

- rehefa tsisy atao na koa te hilamindamina dia mankeny @ Parc public ireny na mipetrapetraka @ "Cafe", ary indrindra any @ "library" mamaky boky..izay fantatro fa tsy ho ataoko mihitsy any Dago. Nddray ange ka tsy mamaky boky akory fa mijery sary fts sy "excuse' fts ipetrahana eo e! hihihi


- rehefa tsy mahita tory dia mandeha tongotra etsy @ plage @ alina..tsy misy atahorana mihitsy, matetika @ 1 eo aho no mandeha . Fandriam-pahalemana e!

 


- 2 taona izahay nipetraka tao Bayshore fa tsy mbola tadiidko izay hoe nanidiana trano t@ fanalahidy...tato @ Marine Drive moa inddray mba hoe mitandrina satria mifanatrika @ olona hafa ny varavarana...kanefa dia apetraka ao ambany "tapis" famafan-tongotra ihany lay izy


 

- Community Center: Anisan' ny zavatra iriko mafy hisy any Dago izy io..Toerana iray misy "facilities" maromaro ahafahan' ny mponina manodidina miala voly na mianatra (fanatanjaha-tena, famakiam-boky, conference hall, filalaovan' ny kilonga, dance studio, music studio, karaoke sns...) @ sarany "zara raha misy" ireo rehetra ireo..toy ny hoe isam-pokotany e!

 


 

- Sakafo: misy ireo sakafo izay tena tsaroan' ny vavako refa any Dago (chicken rice, fried keow Tiao, roti prata, sushi, laksa, chicken leg..hehe)..aty manko nohon' ny fifangaroan' ny mponina dia ahitana karazana sakafo maro isan-karazany ny "food court" : sinoa, maleziana, koreana, indoneziana, tandrefana (steak, frite, spaghetti..), japoney, vietnamiana, singaporeana, karana sns...anao ny safidy!

 


 

- Tranokely:  hihihi...zay moa ny filaza azy? misy aty dia tena satry hjanona ao foana satria madio be ary misy fofona tsara be ataondry zareo...matetika koa @ toerana sasany dia misy mozika kanto dia kanto alefandry zareo ao..hahaha...

 

 Any Dago manko dia ifampitadiavana tokoa rehefa mba poritra any am-pandehanana any io "tranokely" io..
 


Tsy ho voatanisa angamba raha izany rehetra zany, fa tombony ho ahy kosa anefa ny fodiako matetika tany Dago satria 4 taona nipetrahako teto Singapour izay dia indroa isan-taona eo aho mandeha mody.
Tsy dia hisy hoe fiovana be amiko fa nety tamiko daholo na ny tany na ny taty..afatsy ireo fahazarana kely vitsivitsy isan' andro ireo.


 

Na izany na tsy izany...tsy ahy ity firenena ity fa "nindramiko" fts..fahatsiarovana angaha no mety hisy fa tsy dia alahelo lotra..ary na iza na iza mpiavy @ toerana tsy an' ny tena efa tokny hiomana foana vantany vao tonga fa tsy maintsy hiala indray andro any e!!!

 

Za raahteo mbola tsy maintsy hiverimberina aty ihany!!!

 


 
Andeha ‘hangoron’entana” aloha e..inty no tonga @ ilay fiteny hoe “Mody amin’ ny taniny ny Jiosy”
Asa vare ny dikan’ izy io e????

 

Hevitra

1 2 3  Manaraka»

Re: Herinandro sisa!!!

Mirana | 12/02/2007, 07:51

Hey Aly! I am not going to leave a long comment for now but I will be back :-) I just want to wish you truly all the best for your future, you deserve the happiest :-) Don't worry lah I am sure you have inspired and made differences in a lot of people in Singapour and awww who knows maybe I think one day I will be in your shoes too...It is hard I am sure but hey now you are going to be with your family, going to Bira ;-) and think of all the yummiest mofogasy in Analamahitsy you would have ;-) but most importantly now you can also make differences and inspire a lot of people in Madagascar (heard and saw your interviews hihi). Anyway again all the best and thanks for teaching me the singa accent lol I love saying lah now ;-)

Re: Herinandro sisa!!!

Aly | 12/02/2007, 08:09

hehe..thanks Mirana :)

Quite hard but encouraging for my new life....
Thanks for all your words...very meaningful and i hope it will come true!

yes, i have a strong vision of doing my best for Madagascar and to be "A woman of Destiny" but only God knows!!!

woohoo..i like what i just said..hihihi

All teh best for all of us! ;)

Re: Herinandro sisa!!!

Su | 12/02/2007, 08:27

Tsapako mihitsy ny mahafaly sahirana anao. Na tsy taninao aza i Singa dia toerana nipetrahana ary nampisy fahazarana. Dia tongava soa tongava tsara any an-tanindrazana. Mahavita an'izay iriana ary mbola hifanpitantitra eto amin'ity sehatra ity ihany moa ko.

Tsy dia tadidiko loatra ilay "lah" tao Singapour fa ny fiteny Malais no misy an'izy io toy ny hoe "Makan lah". Ampielezo ao Alberta ry Mirana a! (Sa moa ianao any Edmonton?)

Re: Herinandro sisa!!!

Hery | 12/02/2007, 08:31

Dia tandremo misy adino (na mody adino) ny entana an. :-)
Mbola misy herinandro be izao izany fa manararaota tsara e.

Re: Herinandro sisa!!!

ikalamako | 12/02/2007, 09:11

"bony voiazy" izany ry kitjo (fa tsisy bon retour satria indry mitodi-doha mody koh !
Dia aza mampilendalenda akia amin'ilay sakafo a! mahasosotra!!!
Dia ny any Singa izao no halahelo an-dry fa izahay eto @ blaogy tsy hilaozan-dry tsinona fa dia gasy ampiankajoana fitafy sinoa indray izany ny hojerena manaraka o ?
Mahavita be fa ianareo no ho avin'ny Firenena. Kiss kiss.

Re: Herinandro sisa!!!

kitjo | 12/02/2007, 09:15

Su> ieee...faly sahirana tokoa aloha e!
Io ilay ataon' ilay hira hoe "ataovy zay mety e!!" :)

Hery> hihihi...mody adino @ aooooona aza.. :D
ny adino aloha ida mino aho fa tsy maintsy hisy e...

Re: Herinandro sisa!!!

bilakarenjy | 12/02/2007, 11:54

mamy ny mody e!, ...... manao izay hampitomany eto a!
aza adino, fotsiny za rehefa miditra balogy ianao .
de soava dia de tongava @ izay notadiavina sy nianarana e!.
Masaka be ry kitjo .
Aza adino ny milela-molotra rehefa avy misakafo matsiro an!

Re: Herinandro sisa!!!

hasina_the_blessed | 12/02/2007, 15:00

tsy misy ahiana enao rehefa tonga aty satria :

-ny bus: misy clim daholo , izany hoe mafana foana le clim dé somary manitra fofon'olombelona izay izy! malalaka tsara rehefa tsy heure de pointe fa saingy ankôtr'izay dé transpotin . Ilaina ihany koa ny fampiharana fanatanjahan-tena toy ny Rugby na Catch raha te ho-tafody @ ligne sasany(ex 178 refa harivariva iny). Afaka tsara ihany koa ianao manaraka vaovao f'aza matahotra , raha misy radio le betax ka tsy mitabataba be loatra lé "goal" .

- aza matahotra @ olona manary fako , efa tsy eny an-dalàna intsony no ariany fa eo an-tokotaninao mihintsy .

- tsy ory "Parc" koa i Gasikara : Parc de l'Est any Antsirabe,na eo Antaninarenina ( fa mila milahatra vao mahazo place an !). Ny Library koa dia Nasiônaly eo Anosy , tsara ery , manitra fofom-boky efa boboka sy lo.

- Ny aty koa ange efa fandriam-pahalemana e ! Dray,azonao atao tsara ny mandende manary Dia eny Anosy (azo ampihoarina tsara @ Plage io) rehefa manenjika anao ny eritreritrao ka tsy mahita tory ianao.

- 6 mois izay no nipetrahako teny Anosibe , fa mbola indrémande ihany no nisy namaky ny tao ambany satria VY be daholo ny varavarana sy ny vavahady

Aonkizay fa sao tsa te hody eo tsony ndroky lol . Tiako i Gasikara hoawe !!!

Re: Herinandro sisa!!!

Aly | 12/02/2007, 15:38

hahahhahhaha
gga ny eran' ny trano naheno anah miomehy ry Hasina fa ianao dia mahita lazaina k!

Marina daholo aloha ireo lazainao ireo na dia mampalahelo ary!
fa afaka mamoron- kira ho andry Samoela sy ry Rackiki enao an! ;)
na manao releve Bob Marley..hihihihi

fa tsy misy mampaninona ahy aloha ireo rehetra ireo fa efa niainako daholo na dia atao az any hoe misy manafintohina nddray...matetika ny ataon' ny olona fanahy iniana fa raha tsy azo anoharana tsy mampaninona ahy mihitsy fa efa zatra e haiko ny manam-be ary haiko koa ny miafy be hoy ilay ranamana izay!! :D

Zany daholo koa no iainan' ny rehetra, zay lay lazaiko hoe "fahatsiarovana" sisa!!

Re: Herinandro sisa!!!

kitjo | 12/02/2007, 16:18

bilakarenjy> misaotra betsaka e...
dia mba tongava daholo koa isika fa aza variana aty ivelany aty dol e.. ;)
ary aza mitomany zany fa tttsss

Re: Herinandro sisa!!!

pissoa | 12/02/2007, 17:19

Eee, faly sahirana marina an ! Izao angamba ilay hoe "Mamy ny atsy fy ny aroa !" nefa koa toa misy "Makrizy ny atsy, mahalagy ny aroa" - hihihi. Ny mandeha ihany no mety rehefa tokony mandeha, dia any ianao mahita izy.

Mirary soa Kitjo dia tongava soa any amin'ny tanindrazana e ! ;)

Re: Herinandro sisa!!!

simplex | 12/02/2007, 18:48

Tena voatantaran'i toi antsakany sy andavany le izy ka ny mpamaky avy malahelo mihoatra noho enao. Ataoko fa toetran'ny olombelona no malahelo rehefa handao toerana nahitana ny soa iray. Akory atao fa fiainana doly izany. "move on", mba mifamadika indray zany izao i Dago sy Singapore. Ny 1 hipetrahana moa ny 1 andalovana ;-)

Sure, cherish the life you have. Now, u can spend more time with the people u care for. Treasure every moment u spend with them, u never know how much they'll miss u the day u r gone. Lastly, for one thing I would never forget u is if u can do this favour for me, plz don't forget to take blaogy with u ;-)

Mirary soa :D

Re: Herinandro sisa!!!

Chayo | 12/02/2007, 18:55

All the best Kitjo , and Ela velona Madagasikara eo andalam-piharenana

Chayo

Re: Herinandro sisa!!!

Rado | 12/02/2007, 19:10

Inoako fa tsy ho afaka ao anatinao mandrakizay ny momba an'i Singapoure sy ny fiainanao tao. Izay hampihodina ny any Dago sady ahafahanao mivezivezy matetika any no ketreho ho masaka tsara. D'efa mihomana aloha amin'ny "re-culture shock" fa tsy maintsy hisy kely foana io na d nody matetitetika aza ianao. D aza adino ny mitoraka blao-gy eto na d indray mandeha isan-kerinandro fotsiny aza an.

Re: Herinandro sisa!!!

kitjo | 12/02/2007, 19:14

hehe
misaotra anareo rehetra e!!!!!

pissoa> mba hafa ndray akia ty "Makrizy ny atsy, mahalagy ny aroa"..hihihi

Marina tokoa izany fa izay lay hoe "miatrika ny zava-misy," atao zay mampety zay misy eo e!!!

Re: Herinandro sisa!!!

kitjo | 12/02/2007, 19:20

simplex sy rado> misaotra betsaka e!

zay mihitsy, tsy maintsy "positiver-na" le raha e...

fandalovana tokoa ny taty ka zay rehetra tsara azo noraisina dia raofina daholo raha mahasoa....tonga any hita zay anaovana azy.

yeah..i promise you guies im gonna do my best! and hope u too will come back coz the Nation need all of us...need a younger team and young talents...otherwise it doesnt mean u have to go back to do that but i simply mean " please Do something"

Re: Herinandro sisa!!!

kitjo | 12/02/2007, 19:21

Chayo

Thanks alot!
Andao atosintsika handeha mafimafy kokoa e.. ;)

Re: Herinandro sisa!!!

kitjo | 12/02/2007, 19:25

momba ny blaogy ndray rankizy malala isany,

hiezaka tokoa aho fa saingy za ange ka any @ dezaka foana raha vao any Dago e...any Isalo any :) ,.....izao ary hono efa mba misy Orange any...

Fa ny laptop no tsy misaraka amiko ka hanoratra isaky ny manembonembona mahita ny masoandro mody @ faravodilanitr' Isalo eee...ao anatin' ny satrana sy ny bozaka lava ary kararao-bato

Mety hitambatra be ka mety hanao be fiavy be aho isaky ny mi-blaogy...
:D

Re: Herinandro sisa!!!

Andry | 13/02/2007, 04:11

Kitjo,

Sambatra ianao hody any Dago, ary vao maika koa sambatra satria hahita zavatra tsara maro (Isalo moa raha tsy diso aho).

Mampangitakitaka ny mamaky ilay "herinandro sisa". Indro kely anefa : tsy azoko inoana hoe faly ianao fa "ho voasasa @ TANANA" amin'izay ny akanjo. Tsy misy Zava-doza ohatran'izany! Fa raha irinao hamonjy "community center", "cafe", "library" ... ny malagasy REHETRA dia ampio izy hiala amin'ny asa mandany fotoana rehetra ao an-trano (sasa lamba, sasa vilia, kopaka afo, fafa trano ...).

Mirary soa ary dia mahavita be any an-tanindrazana.

Re: Herinandro sisa!!!

kitjo | 13/02/2007, 05:48

Akory Andry,

Misaotra anao e!

Samy manana ny tandrifiny fa mafy daholo ny asa rehetra na dia ny mihinan-kanina aza ho an' ny sasany.
Ny ahy moa raha any Dago za ihany manasa ny lambako fa izay tena tsy vitako no ampanasaina olona hafa.

Aiza kosa dia hoe tsy ho atao intsony ny raharaha ao an-trano fa laozana andeha hamnjy an' ireo daholo?
Misy fotoany ny zava-drehetra k!
Sao ho gaga indray ianareo raha hanoratra aho hoe :
"Malahelo aho fa tsy afaka mahandro intsony, tsy afaka mampirina fandriana intsony, sns fa tsisy fiainana mihitsy aty Dago fa any @ famakiam-boky sy kilalao foana" :) ;)

Tsy azo ialana ireo lazainao ho "asa mandany fotoana" ireo k, na ianao io aza....asa raha henonao ny inteview nataoko an' ilay ramatoa ary @ blaogin' i Alisoa ary @ blaogy.org :)

Fandaminam- potoana no tsy mety na ny tsotra indrindra koa dia tsy misy ilay izy na mitovy amin' ny lazain' i Hasina etsy ambony!!

Izay fa dia mazotoa indray ary e!!

1 2 3  Manaraka»
 
Powered by LifeType - Design by BalearWeb