kitjo

Herinandro sisa!!!

kitjo | 12 Febroary, 2007 07:19

ouufff...
Ouf of relief..fa OUF somary malahelo ka mampisento.
Nifoha maraina teo tokoa manko vao tonga saina fa hay herinandro monja sisa dia hifarana hatreo ny fiainako eto Singapore. Ny entana tsy mbola voapirina, toa tsy mbola mieritreritra ny handeha izany akory ary aho! Mbola tsy vonona e...
 
Etsy andaniny, faly fa "hody", hamonjy ny fianakaviana; hiasa amin' izay, ho an' ny fianakaviana, ho an' ny Tanindrazana, ho an' ny manodididna ary...ho an' ny tena!

 

 

Faly koa fa vita ny Fianarana sy izay rehetra natao taty


 

Faly fa mba mahatsiaro tena ho lehibe e! hiatrika adidy sy andraikitra vaovao.
Faly t@ ireo zavatra rehetra niainana, fifaliana rehetra teto Singapore...indrindra ny fiainana niarahana t@ Diasp na MADASING rehetra "toute generation"
Faly fa mba tsy ho simba intsony ny akanjo fa hosasana @ tanana fa tsy machine intsony

 

 


 

Faly fa hihinana ireo mofo gasy sy ramanonaka isa-maraian eo Analamahitsy. Ny kitoza sy vary @ anana..ny hena renao ho matsiro tsara, ny legioma sy voankazo "frais" vao notazana na notangosana, ny lasopy sy kopoze, nem sy sambos..

 

....eny e, sakafo kosa aloha dia tsy lazaina intsony e

....
Faly fa mba afaka hitondra fiarakodia, aty manko tsy ahazoana hanao izany mihitsy 

 


Etsy ankilany kosa anefa, toa malahelo sahady aho izany:
Malahelo handao ny ankizy, ny kivanivany, ny adalana sy fifanadalana ary indrindra ny fiarahana na t@ mora na t@ sarotra, ny fifampizarana, ny fifanampiana, ny fiaraha-misakafo, ny fiaretan-tory manao devoir mifanampy daholo(hihihi), ny fanadiovana rano tamba-be (haha..rehefa ho avy Maman' i Lova tadidiko tsara tao Viewpoint) , ny fanaterana sy fitsenana eny @ aeroport (leo anay mihitsy angamba le Changi airport), fifanadalana @ telephone ra vao misy numero vaovao (haha..nisy maromaro ihany ny nitomany t@ io an), ny fifampitarihana etsy sy eroa , tsy voatanisa e!!!!!

 


  
 

Hhmm..nandeha kely somary nanao tour tamin' ny bus aho t@ zoma avy nianatra....toa nalahelo sahady ity tanAna ity aho, izay tsy ahy akory. Asa re nahoana!

 


 

Asa angamba mety nohon' ny fahazarana kely madinidinika ary ahiako fa hampisy fiovana sy fahasahiranana kely rehefa tonga any Dago:
Raha tsy hilaza aho ohatra ny amin' ny:
- bus: any anaty bus manko no mba fijereko vaovao @ tele, any milamina tsara...misy clim, tsy misy maneritery, fotoana teny mety mihitsy hatoriana..

 


- mampiferon' aina ahy mijery olona manary fako eny an-dalana matetika ao Dago , fa na izany kosa ary mandainga aho raha hilaza fa tsy efa misy fiovana lehibe ny fahadiovana ao dago amin' izao

 


 

- rehefa tsisy atao na koa te hilamindamina dia mankeny @ Parc public ireny na mipetrapetraka @ "Cafe", ary indrindra any @ "library" mamaky boky..izay fantatro fa tsy ho ataoko mihitsy any Dago. Nddray ange ka tsy mamaky boky akory fa mijery sary fts sy "excuse' fts ipetrahana eo e! hihihi


- rehefa tsy mahita tory dia mandeha tongotra etsy @ plage @ alina..tsy misy atahorana mihitsy, matetika @ 1 eo aho no mandeha . Fandriam-pahalemana e!

 


- 2 taona izahay nipetraka tao Bayshore fa tsy mbola tadiidko izay hoe nanidiana trano t@ fanalahidy...tato @ Marine Drive moa inddray mba hoe mitandrina satria mifanatrika @ olona hafa ny varavarana...kanefa dia apetraka ao ambany "tapis" famafan-tongotra ihany lay izy


 

- Community Center: Anisan' ny zavatra iriko mafy hisy any Dago izy io..Toerana iray misy "facilities" maromaro ahafahan' ny mponina manodidina miala voly na mianatra (fanatanjaha-tena, famakiam-boky, conference hall, filalaovan' ny kilonga, dance studio, music studio, karaoke sns...) @ sarany "zara raha misy" ireo rehetra ireo..toy ny hoe isam-pokotany e!

 


 

- Sakafo: misy ireo sakafo izay tena tsaroan' ny vavako refa any Dago (chicken rice, fried keow Tiao, roti prata, sushi, laksa, chicken leg..hehe)..aty manko nohon' ny fifangaroan' ny mponina dia ahitana karazana sakafo maro isan-karazany ny "food court" : sinoa, maleziana, koreana, indoneziana, tandrefana (steak, frite, spaghetti..), japoney, vietnamiana, singaporeana, karana sns...anao ny safidy!

 


 

- Tranokely:  hihihi...zay moa ny filaza azy? misy aty dia tena satry hjanona ao foana satria madio be ary misy fofona tsara be ataondry zareo...matetika koa @ toerana sasany dia misy mozika kanto dia kanto alefandry zareo ao..hahaha...

 

 Any Dago manko dia ifampitadiavana tokoa rehefa mba poritra any am-pandehanana any io "tranokely" io..
 


Tsy ho voatanisa angamba raha izany rehetra zany, fa tombony ho ahy kosa anefa ny fodiako matetika tany Dago satria 4 taona nipetrahako teto Singapour izay dia indroa isan-taona eo aho mandeha mody.
Tsy dia hisy hoe fiovana be amiko fa nety tamiko daholo na ny tany na ny taty..afatsy ireo fahazarana kely vitsivitsy isan' andro ireo.


 

Na izany na tsy izany...tsy ahy ity firenena ity fa "nindramiko" fts..fahatsiarovana angaha no mety hisy fa tsy dia alahelo lotra..ary na iza na iza mpiavy @ toerana tsy an' ny tena efa tokny hiomana foana vantany vao tonga fa tsy maintsy hiala indray andro any e!!!

 

Za raahteo mbola tsy maintsy hiverimberina aty ihany!!!

 


 
Andeha ‘hangoron’entana” aloha e..inty no tonga @ ilay fiteny hoe “Mody amin’ ny taniny ny Jiosy”
Asa vare ny dikan’ izy io e????

 

Hevitra

Re: Herinandro sisa!!!

tinaina | 13/02/2007, 08:52

Na dia vao haingana ihany aza no namakiako ny Bilaoginao dia finaritra ery ny mamaky azy. Mirary soa anao hatrany @ adidy sy andraikitra vaovao miandry anao any Mada. Toerana fivahiniana ihany ny antsika aty ivelany aty.

Cheers For you. Hope you still continue to Blog for us wherever you are.

Re: Herinandro sisa!!!

jentilisa | 13/02/2007, 09:13

Lasa any Isalo ve? efa mahita aleha sahady izany koa inona moa?

Re: Herinandro sisa!!!

kitjo | 13/02/2007, 17:19

tinaina> misaotra betsaka dia misaotra anareo mamaky koa fa raha hanoratra fts eto moa ka tsy hisy hamaky akoryyy.....

hi-blaogy foana aho k...hihiihih...fa hosoratako dia hotehiriziko ao daholo dia hanao be fiavy be amin' izay rehefa mahita aterinteo fa nareo indray no fanina amin' izay..ihhiihhi

Re: Herinandro sisa!!!

kitjo | 13/02/2007, 17:21

jentilisa> ee...efa tany ihany hatrizay isaky ny mandalo fa amin' ity vao tena any tanteraka aloha....
tsy mba ho avy hitsidika ahy any ve ianao rehefa malalaka e... :)

Re: Herinandro sisa!!!

vakiniadiana | 14/02/2007, 10:28

Mamy ny mody an-tany niaviana
Eny ry lahy, eny re roy e

Re: Herinandro sisa!!!

kitjo | 14/02/2007, 11:56

marina mihits izany! :)

Re: Herinandro sisa!!!

rrdo | 14/02/2007, 12:02

"Ouufff" fotsiny hoy aho mamaky an ity lahatsoratrao kanto dia kanto ity!
Sady tena hainao tsara ny mampihaina an'ilay izy, tadidinao ve le "malagasy" natao tam 5è sns reny ... pi-maso kely fotsiny iny ho an'ny lasa fa ny ho AVY amin'izay izany zao.
Gaga ngamb'enw raha teneniko wé ato am bookmarks ny url blaoginao ito, mamaky eto foana izaho vao misy fotoana (saingy tsy dia mi-comm's, hi hi)
Ny hitako dia misy namana (virtoaly) betsaka ianao, mifampizara ny manta sy ny masaka sns.
Ohatran ny lasa mamendrofendro sy mampanembonembona ilay hoe Hody nefa tsy maintsy ny ho avy foana no ketrehina ... fa izay, Mazotoa amin'izay zavatra kinendrinao dia "Reste comme ça" hoy ny vazah izay, fa 'tsara' ianao...
Mbola ouufff ihany.

Re: Herinandro sisa!!!

Chayo | 14/02/2007, 12:58

Kitjo,
Tsy ho ela dia ho avy koa eh,tsy maintsy tafitantsika io na iza manakivy na iza no hisakana.
Dia bon retour lah,izay moa ny fitenin-dry zareo azy.
De bon voyazy sy bon kourazy eh

Chayo

Re: Herinandro sisa!!!

kitjo | 14/02/2007, 13:56

Misaotra Chayo an,

marina mihitsy izany e! Tongavasoa koa!!!

Mba ilazao ihany rehefa ho avy e...

Re: Herinandro sisa!!!

kitjo | 14/02/2007, 14:04

Rrdo>

Tsy Ouuff tsony fa hoy aho hoe "ndriiiii"
Ianao koa ty toa vao mainka mampihetsika lay fanembonana ko..hihihi
mahafinaritra e.... ;)

Tsaroako tokoa ny famoronan-dahatsoratra t@ andron' i Mr Martin sy ry Lucku Luke (paix a son ame)...tena nahitana soa ireny e..eny na dia ny ny nampianarana nikabary t@ 4e koa aza..hihihiih...za t@ io lay nikabary t@ fianakavian-drazazavavy! :D :D eee...

zany eo ihany fa misaotra @ teny rehetra zay nolazainao e...feno ny fo hoy ny olona mahay milaza azy zay :)

Misaotra koa mamaky sy miboky marika izany fa mankaher izany ... aza esorina tao fa mbola hanoratra foana aho arak' izay tratra e..hhihihi

namana virtoaly? iieee...betsaka tokoa ary sahiko ny milaza eto fa tsy mba 'namanamana" ireo fa tena Namana....indrindra ny ato @ Fianakaviana Serasera.
Ela izay fotoana nifampiseraserana tato izay..tsy mbola nisy ny hoe olana fa dia nifankatia daholo, nifampizara ary indrindra mifanaja ny Namana serasera, mampiavaka ireo Forum hafa. Izay no tena mahatamana ahy ato ka mahatonga ahy hoe malahelo :S

Re: Herinandro sisa!!!

kitjo | 14/02/2007, 14:17

za izany aza sao dia mandoka lotra ry rrdo an..hiihiih

eny e, ianao moa nahalala ahy hatry ny mbola pupil kely ka faly aho raha izay no fahitanao azy :)

Re: Herinandro sisa!!!

rvoulah | 14/02/2007, 15:50

Sendra mba nitsidika kely tao am forum anay hatrany bira aho no nahita ilay "fisaorana" de gaga hoe fa misy in?
Herinandro sahady kay sisa de hody ndroky , na ahako aza hotrany tsy mino koa! Arak'ilay voalazandry nefa de hoe"tsy ahy ity tany ity fa indramina" , marina fa tsy maintsy misy ny alahelo satria efa amantaonany maro no nipetrahana tany , tsy azo atao be loatra anefa satria ao koa ilay Gasikara miandry atsika tanora amin'ny fampandrosoana amin'ny lafiny rehetra .
Tena ho hafahafa aloha ny tsy hihaona intsony ao am msn isankariva , tena marina , nefa tsy atao mahakivy ....
Miala tsiny am teny vahiny "je te porterais tjrs dans mon coeur chère amie" , h@ primaire ka h@ zao , "je t'admire beaucoup"
bisous

Re: Herinandro sisa!!!

kitjo | 14/02/2007, 16:04

hihihi
misaotra ka vola ah!
any an-tanAna ndray atsika mihaona mihinana mofo sesika eo Antsenakely e.... :D

mandalondalo mamangy ao @ forum-tsika sy ato @blaogy iany aako fa aza matahatra androky

"Herinandro sisa" t@ latsinainy io... :S

Toko tsika d miaraak eny foana iii....hafa alo ny tao @ college e..hafa koa anefa ny tato anatin' ity vata ity....

aia matahatra fa....

mbola hitohy......

Re: Herinandro sisa!!!

rrdo | 14/02/2007, 17:48

rvoulah>> Marina ve le hoe 'miandry tanora gasikara'... nefa androky aza tô ohatran ny miheritreritra ny tsy h.dy tsony, hi hi
Ao fôna le fiteny avy @ tanàna aaa, androky le akizy ee :D :D!!!

Re: Herinandro sisa!!!

fasaly | 15/02/2007, 07:21

tena misento be koa izaho namaky an'ilay lahatsoratra aky kitjo,
hoatra ny hoe izaho mihintsy ny amin'ny place njy....
atao ahoana fa misy farany ny zavatra hatao rehetra fa hanomboka zava-baovao sy fiainana vaovao hahafinaritra njay njy zany any antanindrazana.....mampite hody koa izy zany aky :'( :'( :'( biz be njy de malahelo be sahady ny fo....

Re: Herinandro sisa!!!

rvoulah | 15/02/2007, 08:18

rrdo> hita fa marina fa miandry atsika gasikara ko.
Koa raha ze nanovo fahalalana rehetra taty ary , hiempona aty aby de okory????
Mbola misy 2 taona mahery alou zao ny fianarana de zay no atao izay hahavita azy , ny tohiny hita eo ihany !!!
biz ho androky aza e!

Re: Herinandro sisa!!!

kitjo | 15/02/2007, 18:01

fasaly> enyy..faly sahirana kely iany....manisa ando sisa..hihihi
aty izao mangina be fa ankatoky ny taom-baovao sinoa dia mihidy aby ny mpivarotra manomboka rahampitso...tsa mba afka hoe hanaaraotra handehandeha fa tsa misy in in maitsiny....

Re: Herinandro sisa!!!

kitjo | 15/02/2007, 18:05

rvoulah sy rrdo> modia aby maitsy anareo fa aia mifamaly eo fst fa tsa hinanan-kanina..hahaha
ka vola ah! ndroky vy sao mivaha amzany fa aia ko d mbola hisy 2 taona e?
tsa mety tapitra maitsy izy zany fa mahay be eo lotra ary androkyy....aleo le kiantonotoniny ohatra anay fts sefa tsa voambaka..hihihihihi

Re: Herinandro sisa!!!

rvoulah | 15/02/2007, 20:20

kitjo> hihi ndroky any de mapme iiii , tsa mivaha zany fa aia matahatra ndroky , tena mbola misy 2 taona mahery any marina y!!!
ary nakaia rrdo zay nga?

Re: Herinandro sisa!!!

kitjo | 16/02/2007, 03:59

daa...
efa ela ery vy zay le akizy ko....
tsary efa calligraphe firy @ le efajato sy arivo zay ro lanindroky? :D :D

 
Powered by LifeType - Design by BalearWeb