kitjo

Ramanavy

kitjo | 15 Janoary, 2007 07:54

Taorian' ilay langouste dia inty indray ny ramanavy "New Sucker-Footed Bat" no filazany azy... Io anefa izao mety hitanao eny antsaha eny fa tsy hainao akory... Ny nampalahelo fts dia mahita ilay komentera hoe "fast-disappearing forests ".....Mampalahelo fa tena izay tokoa ny zava-misy! Jereo ity tranokala ity fa ny blaogiko moa izany tsy haiko oe maninona fa dia tsy eo intsony ilay sary kely fampidirana sary sy html iny http://news.nationalgeographic.com/news/2007/01/070108-bat-sucker.html

Test Video

kitjo | 11 Janoary, 2007 17:40

Fanandramana fst ty...

maizina ilay sary satria efa alina..io ilay zaza narian-dreniny

Fiainana ambanivohitra!

kitjo | 09 Janoary, 2007 13:48

Asa ianareo fa raha izaho manokana dia tena tia miaina ambanivohitra..

Tsy dia mijanona matetika ao Iarivo aho rehefa any Dago fa any ambanivohitr'i Betafo any, any amin' i bebe na any @ faritra atsimo any Isalo...

Ankoatra ny rivotra madio, dia eo ny fahasalamana avy @ sakafo, ny fahanginana, tsiron-tsakafo @ kitay, ny fifandraisan'ny olona samy olona.

 

 (tohiny)

Tonga indray!

kitjo | 06 Janoary, 2007 06:37

Kory aby!

Tafaverina eto indray e...mbola valaka be fa nihodikodina ny raoplanina no ela be ny transit....

Tratry ny taona aby dia mirary soa oo...

Milamina any Dago sady levona ny cyclone..ny manaraka ndray no asa! EFa madio no sady mangingina vita fety ny tanana...ny vary @ 700ariary no ilaharana zay mpivarotra misy azy!

nampalahelo ahy fts ity zaza @sary ity fa mba nandalo naka sary tao @ St jo tao Bira aho dia nony nivoaka feno olon anitangorona teo ivelany fa narian'ny reniny tao an-jaridaina io zaza io ka olona sendra nandalo no nahita azy...mahafatifaty ary madio tsara...napetraky ny reniny niaraka t@ akanjony ilay zaza..

Asa aloha raha nanao ahoana fa misy milaza ho mahalala ny reniny ny olona izay nandalo ka hoe mpisotro taoko hono. Naka video aho fa mbola ts haiko mametraka zy eto fa nataoko @ ilay siteko anankiray Multiply...

«Mialoha   1 2
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb