kitjo

Onjam-piainana!!!

kitjo | 17 Janoary, 2007 09:01

Voakitika kely ny foko androany... Toy izao ny fandehan' ny tantara... misy namako iray, izay tena toy ny rahavaviko mihitsy moa izany...zandriko kely fotsiny. T@ mamany bevohoka azy dia "nitsoaka" ilay rangahy.....lehibe teny ihany anefa izy ary tafita tokoa satria manana toerana manana ny maha-izy azy aty ivelany aty ny mamany.. Izy kosa efa nahavita ny fianarany ary efa manana Master... Raha nanontany azy aho fahiny ny momba ny rainy io dia tsy te hiresaka mihitsy izy.."ary tsy te hahalala azy mihitsy aho", hoy izy, ny amin' izao aloha fa ny aoriana kely tsy fantatro...tsy nisy nilaza taminy mihitsy koa izay momba an' io rainy io ary tsy nanontany mihitsy koa izy. Tsy fantany akory na gasy na vazaha....naheno resaka ambadika manko izy fa hoe "tsy gasy"! Sendra nody tany Dago ny mamany ka somary nananihany azy, "vao haingana" raha mba te ahafantatra ny rainy amin' izay izy..."noheveriko ho mananihany izy satria fantany fa tsy mbola vonona amin'izany mihitsy aho", hoy izy... Kanjo..... (tohiny)
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb