Gasin'i Singapore (andiany zokiny)
kitjo | 31 Janoary, 2007 15:04
Tsy haiko moa ilay fomba filazanareo azy iny hoe malagasisopia sa moa inona ka dia notsoriko ny ahy...
Nataoko oe "andiany zokiny" satria dia misy karazany roa samihafa be tokoa izahay..ireo teo aloha (2001-2006) dia efa somary lehibebe daholo izahay: salan' isa 22taona teo (28taona ny zokiny inddra ary 20 ny zandriny inddra)... ireo no resahiko aloha izao...

t@ io andiany voalohany io dia nifandanja ny isan' ny lahy sy vavy ary mitovitovy "feeling" daholo.
t@ alalan' ny "Agence" iray moa no nandehananay rehetra ireo taty t@ izany fotoana hany ka mora ny nifandraisana ho an' ireo efa teto an-toerana sy ireo zay vao mikarakara taratasy tany Dago (fanarahana ny taratasy, fitadiavana trano, fanontaniana mila valiny isan-karazany momba ny fiainana)
(tohiny)
Sary indray mipika!!!
kitjo | 29 Janoary, 2007 10:06
Ny toy izao no tsy mampisaraka ahy @ fakan-tsary...
Avaratr' i Behenjy....tsy nisy naratra fa kika kely fts...

(tohiny)
Onjam-piainana!!!
kitjo | 17 Janoary, 2007 09:01
Voakitika kely ny foko androany...
Toy izao ny fandehan' ny tantara...
misy namako iray, izay tena toy ny rahavaviko mihitsy moa izany...zandriko kely fotsiny.
T@ mamany bevohoka azy dia "nitsoaka" ilay rangahy.....lehibe teny ihany anefa izy ary tafita tokoa satria manana toerana manana ny maha-izy azy aty ivelany aty ny mamany..
Izy kosa efa nahavita ny fianarany ary efa manana Master...
Raha nanontany azy aho fahiny ny momba ny rainy io dia tsy te hiresaka mihitsy izy.."ary tsy te hahalala azy mihitsy aho", hoy izy, ny amin' izao aloha fa ny aoriana kely tsy fantatro...tsy nisy nilaza taminy mihitsy koa izay momba an' io rainy io ary tsy nanontany mihitsy koa izy. Tsy fantany akory na gasy na vazaha....naheno resaka ambadika manko izy fa hoe "tsy gasy"!
Sendra nody tany Dago ny mamany ka somary nananihany azy, "vao haingana" raha mba te ahafantatra ny rainy amin' izay izy..."noheveriko ho mananihany izy satria fantany fa tsy mbola vonona amin'izany mihitsy aho", hoy izy...
Kanjo.....
(tohiny)
hira!
kitjo | 15 Janoary, 2007 09:46
Hira sendra azoko fotsiny nataoko ao @ ilay siteko anankiray
www.alisoa.multiply.com
Jereo ao @ Mozika ao dia ireo hira roa farany...tsy haiko lotra ny lohateniny fa napetrako fts.
Tsara be ilay izy
fa aza mba aparitaka lotra azafady satria toa mbola @ Mars ireo vao tokony mivoaka
Zany hono
kitjo | 15 Janoary, 2007 08:56
"Mahonona tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany;tohero izy, ka miorena tsara amin'ny finoana hianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran'izao tontolo izao." IPetera 5:8-9
Nalaina tao @ baiboly.org