kitjo

Sary Dago....

kitjo | 29 Desambra, 2006 16:02

Kory aby!

Manamarina kely ilay nolazaiko aho angamba t@ ilay korontana Analakely...

Jentilisa, efa mahazatra ihany mahita korontana Kermesy sns hatrizay fa tsy nampoiziko oh zao ny teo @ avenue..raha ANtsonjombe na oh znay mba tsy maninona...misy koa ireo manege sy fakana sayr miarak @ Dadabe Noely tsy maninona fa ireo loka maro samihafa no hitako tena nanimba endrika..hany ka na ny olona aza matahotra hitondra ny zanany eny fa miafiafy ety @ sisiny maka sary fts

Jereo ange ireto sary manaraka ireto

Ny masikita sns..toaka!

 (tohiny)

Ny aty Dago

kitjo | 26 Desambra, 2006 14:06

Salama dol

mba manararaotra mitsidika kely e

samy tratry ny Krismasy dol d mirary fety sambatra

milamina aty sady mangingina
manaraka ny avenue sy behoririka iny no mikorontana bordel be
misy kermesy sns am avenue
kodiakely, manezy; loka samihafa; masikita sns sns
mikorontana b mitsy fa hita oe faly ny ol na zany aza
samy ho tratry ny taona e...

tafiditrra antanety avaratra andrefana iny ny cyclone

eto Iarivo aloha dia merimerika tsy mijanona ny andro...mitsitapitapy tdy d tena oe avy be...azo iafiana tsara na zany aza

Manaova fety sambatra dol e...

Biizzz

Transit a Bangkok

kitjo | 22 Desambra, 2006 17:07

Eto Bangkok aloha transit 2h...soa fa mba fohy2 ihany

12h05 alina ora SIngapour izao...misy 1h ny elanelana ka tsy haiko oe 1h mialoha aty sa tafara...hahhaha..fantatro fts fa tsy ho tara aho satria eto akaikin'ny boarding room...tazako eto aby ny Gasy andeha hody..lol

Tsy mba toy ny any Singapour moa eto..ilay aeroport vaovao...tsy misy internet gratuit ary tsy misy wireless koa...

Voatery nividy carte net 100baht na 7000ariary(efa mahay ariary tsara kosa an..lol)..misy email maika tsy maintsy nalefa..20mn no azon' izay hono...dia manararaotra nitsidika ato fa mba misy ambiny. Lafo izy zany le....!!!

Malalaka be ilay aeroport vaovao eto Bangkok. Ngodabe mihitsy fa dia tsy misy inona inona fa banga be..soa fa mba misy kisarisary ny rindrina sasany raha tsy izany vy be dol zay jerena...tsy haiko na zatra ny aeroport SIngapour koa ny masoko...

Oadray, teo am-panoratana an'ity aho dia gaga fa tapaka ilay connexion...dia ni login in @ le PIN dia soa ihany tsy nikatona ity....20mn hoy izy ilay 100bht kanefa vao tsy 4mn nandefa email sy nanokatra ity akory aho dia izao indray efa 54bht hono sisa...

vao nosokafako voalohany aloha ilay izy avy nampiditra ilay PIN tonga dia 19segondra nisoratra teo...Fangalarana be manadala....

Dia mazotoa daholo ry zareo ahhh!!!!

ANy Dago indray manoratra raha afaka...efa tsy isan'androko intsony ny ho sokajin'ity aloha ato ho ato fa mety ny isaky ny 3 na efatra androko...hahaha

Tafandria mandry izay hatory ary mazoto aizay hamonjy fiasana na fianarana e...maztoa homana ny hisakafo....

Biizz dol!!!

Manaova fety sambatra daholo eee!!

kitjo | 22 Desambra, 2006 03:28

Dia hanainga moa iznay afaka 6 ora eo ho eo...

Koa dia mirary fety sambatra sy finaritra ho antsika rehetra sy ny fianakaviana e! Samy ho tratry ny taona vaovao aby koa!

Ao @boarding room rfveo mety mbola mi connecte kely @ wireless fa refa any Dago alo ngamba d email ihany...hihihihi

Enga anie tsy hisy ny korontana sao sanatria za taraiky any no sady mampalahelo ny mponina...Inoako aloha fa na hisy aza dia kely fa tsy ho grave be ary tsy haharitra e!

Ao @ blaogiko anankiray misy hirahira ahatsiarovanareo anah mandra-piveriko e..hihihihi

http://alisoa.multiply.com/

'Ndao fa vloum ooooo!!!!

lasa ihany!!!!!ny tsy maintsy atao any Dago...

kitjo | 20 Desambra, 2006 16:24

Oouufff...

Dia lasa ihany aho izany ho any an-tanana..hanao fety...hiihihih

Tsy ni-ouf mitsy za raha tsy tety an-tanana ny billet..hahahha

Hanao to-do list kely zany satria 12andro monja ka araraotina tsara

- Mamangy fianakaviana

- Rendez-vous nalaina:

   - manao volo

  - manao controle maso

  - manao controle nify + detartrage (kay le, marary io)

  - massage lamosina ao @ Homeopharma..lol..io tsy azo ambaniana!!

- Sakafo..hahaha...io kitjo io!

   - vokatra izao ny karazam-boankazo (letchis, manga, paiso, poma, poara sy voaloboka ve efa misy?...)

  - henakisoa sy anamamy d lasary voatabia

  - ron'anamamy @ jumbo...mbola hiakatra tension ty kitjo ty fa!!!

  - tsaramaso sy sosisy..hahaha

  - koba mahamasina refa alakamisy

  - mofo mangahazo le eny @sisiny roapolo ireny, vo mafana @6 eo ho eo

  - kopoze ao @ Fanantenana

  - Masikita eny Fenoarivo na any Bira..mmmhhh avec le schochy voandro

  - Trondro maina (le mainty2 iny) atao ro @anamalaho sy angivy..oouuhhh

  - Trondron' Itasy nahandro gasy

  - katsaka toto-tanana malemy tsara sy ronono..miam

  - vary @anana mazava ho azy

  - hena omby ritra sy lasary voatabia

  - rehefa fety d le henakisoa sy vorona..hihihi

  - adino teo nefa zava-dehibe ny mofogasy sy ramanonaka..Analamahitsy!

- Miantsena voandalana entina miverina

akanjo: tunik na t-shirt baobab ho an'ny ankizy

kaly:  anana @boaty sy ravitoto

         sokola noir ao @ Robert, koba ravina, kitoza fume (Shoprite), sosisy gasy hamainina tsara, biski BOLO, biski Gouty sy FREGO, bonbon chocomin, bonbon voanjo, pate de fruits, cafe Tsy lefy na TAF, The Sahambavy,

         Punch coco sy Cafe Dzama..io tsy adino mitsy..haha sy Divay

         Infusion karazany Homeopharma

Reo ihany aloha no tadidiko izao

Oooppsss....Maka sary saika adino..hahaha...d miserana kely mitsirika ato manadala olona..ihihi

Suspensss!!!Ho tafody sa tsia???

kitjo | 18 Desambra, 2006 18:10

Pppffff...

mandreraka ny service ao Dago

Efa 1mois nanao reservation, nefa mba hoe aleo any @ agence a Dago no mba manao resa fa mba manampy azy!!!

Efa haka ny billet vo oe misy zavatra tsy mety....

@Zoma no tokony depart ka asa fa kivy tanteraka aho ity...soa iany fa nanao reservation double aty fa saingy mandreraka be ilay via Bangkok no sady ela be ary tsy mety amiko ilay date retour ka dia asa!!!!

Mahakivy....za nefa efa plan b mba hanao fety any Dago na dia fotoana fohy 10andro monja aza!!!

Dia miandry izany fa Gasy aloha hita eo zay fivoakany!!

 

Mpanan-karena hafa kely!!

kitjo | 18 Desambra, 2006 02:41

"Fa inona no fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy, [Na: ratsy fanahy.] raha maito ny ainy, Ka [Na: Fa inona no fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy, na dia mahazo harena be aza. Raha, etc.] tsoahan'Andriamanitra ny fanahiny? " Joba 27:8

Niara-nidinidinika t@ mpiara-mivavaka aho omaly ka sendra tafaresaka momba sinoa mpanakarem-be eto SIngapour...tsy haiko manoratra ny anarany fa aleo jereko rehefa avy eo (sao tapaka ny inspiration-ko..hhihhi)

Ho an'ny sinoa manko dia rehefa misy manankarena ao @ fianakaviana dia tsy maintsy manana daholo..ary rehefa miteny hoe "....family" dia tena hoe "ao zany!"

Ny nahagaga an'ity rangahy ity dia manam-bady aman-janaka izy, kanefa kosa ny hareny rehetra dia nanokafany Oniversite any Chine, @tany nihaviany, saingy eto SIngapour izy no mipetraka.

@izao fotoana izao dia bakiropitra ny orinasany kanefa tsy mampaninona azy ary notokanana ilay oniversite nampitondraina ny anarany.

Noenjehin' ireo fianakaviana Sinoa matanjaka izy noho izany kanefa tsy taitra fa hoe "ny fiaraha-monina hoy izy no fianakaviako...ary izaho, hoy izy, tsy nanome vola fa "fampianarana/education" no omeko azy dia anjarany no manitatra an' izay!

Ny tsikera azony dia hoe "anti-chinese tradition"..satria tena mifanohitra @ fisainana sinoa mihitsy ny hoe andeha hanome olon-kafa raha tsy manana ny fianakaviana

Teo dia tsaroako indray ilay fahendren'ny Ntaolo manao hoe "Ny fianarana no lova tsara indrindra"

Mampisaina!

Rehefa sport dia te ho mainty aby!(Sport: confusing identity!!!)

kitjo | 16 Desambra, 2006 06:46

Mahagaga tokoa fa:

Kitra: ny Frantsay dia mainty

Basket: Ry zareo avy ao Qatar, t@ Asian games vita omaly dia mainty daholo koa!

Fa na iznay aza nataon'ny kely maso mamay!!!

http://www.channelnewsasia.com/stories/afp_sports/view/247469/1/.html

Izao izany ny arabo aminy..hahaha

Mitady an'Andriamanitra!!!

kitjo | 16 Desambra, 2006 06:22

Nalaiko tao @ blog an' Ikaretsaka!!

"Help us to find God."

"No one can help you there."

"Why not?"

"For the same reason that no one can help the fish to find the ocean."
Dia hoy aho hoe:
Henoy ilay hira manao hoe :
"Anjaranao izay mahalala, no mampiditra ao am-bala, ireo ondry izay naniasia..."

Fahendrena!!

kitjo | 16 Desambra, 2006 05:40

Androany 16Dec

Ohabolana 1:7

" Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahalalana; Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana"

Ministeran'ny vola: Nanjavona ny $

kitjo | 16 Desambra, 2006 05:33

Nanjavona hono $ tao @ ministerany e!

Ny Fanjakana no mitory @ zany, 160millions ariary!!!

http://www.lexpressmada.com/display.php?p=display&id=3798

Mirongatra ny Fividianana volamena sy varahina ao Dago!

kitjo | 15 Desambra, 2006 18:53

Mirongatra dia mirongatra tokoa ny fividianana volamena ao madagasikara amin'izao..

isaky ny mamadika pejina-gazety dia misy dokam-barotra foana hoe "Mividy volamena-Cash"...sady olona samihafa daholo, tsy mba indray mandeha fa isan'andro mandritra ny taona...kanefa fantatra ny halafon'ny fanaovana ireny dokam-barotra ireny.

Fijeriko no entiko eto fa samia milaza!

Toa mamporisika ireo mpanendaka volamena ny toy izao raha ny fijeriko azy satria mangitikitika ihany isaky ny mahita ireo Pub ireo isan'andro!!!

Mankaiza ireo volamena ireo?

Inoako fa tsy mijanona ao Dago, sa ve ilaina anaovana fiomanana handraisana ny Jeux Olympiques any Chine @ 2008?Ny vy manko no fantatra amin'izao fotoana izao fa tena lafo be eran-tany satria angonin'i China aby!

henoy eto ny vaovao omaly hariva!

http://www.alliance92.com/rubriques/vm/14%20Desambra%20hariva.mp3

Reko t@ vaovao t@ Alliance92 androany hariva fa miroborobo koa ny fividianana "Varahina" eo @ La Reunion kely taloha no anaovana izany.

Araka ny volaza moa dia mahatratra eo @ 10kg eo no vidiandry zraeo isan'andor, ka samy tonga eo ny mpividy sy mpivarotra, Tsy misy tax amin'io...

Araka ny tatitra ihany koa dia nony tonga ireo mpanao gazety dia nitsoaka ireo mpividy, fa satria nahoana???

Mi-blog ny Governemanta eto SIngapour

kitjo | 15 Desambra, 2006 17:24

Anisan'ny tena misy lanjany tokoa ny Blog amin' izao fotoana izao.

Raha eto SIngapour manokana dia maniry ohatry ny anana araka ny fiteny ary betsaka ny adihevitra sns indrindra mikasika fiainam-pirenena.

Misy akony betsaka eo @ fiaraha-monina ny voalaza @blog ka izao na ny governemanta aza dia manana ny blog-ny koa

http://www.p65.sg

Manaraka: Blog-na mpanao gazety, misy resaka mivantana na karajia inddray ary alefa mivantana @ tele

http://blogtv.sg/

Santionany ireo fa dia efa samy manana ny fiainany marina e!

Mipetraka ny fanontaniana:

Tokony hanao toy izao koa ve ny any dago?

Ny tiako tenenina hoe mirotsaka mivantana mihitsy ny Hery fahadimy(internet) @ fiainam-pirenena ka hojeren'ny Mpitondra sy ny rehetra mivantana??

Tsy amin' izao aloha satria ny Mpanohitra miteniteny foana ireo hanasaritaka saim-bahoaka fa raha tsy resaka Politika Gasy tsy olana!

Mety ho hevitra tsara rehefa tonga ny fibra optika

Hope For Madagascar!

kitjo | 15 Desambra, 2006 16:47

Anisan'ny tena manome inspiraka ahy io fikambanana io ary mahafinaritra na ny presentation an'ilay site fts aza

http://www.hopeformadagascar.org

http://tropicalitems.com/

kanto ny Vita Malagasy

 (tohiny)

Rom 12:2

kitjo | 15 Desambra, 2006 16:08

"Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina."

Ndao iomehy kely: Tandremo ny fampiasana mari-piatoana!

kitjo | 15 Desambra, 2006 14:08

Ohatry ny tsy misy mampiomehy mihitsy ato @ ty blog ty fa inona ny nanjo an'i kitjo????

Tandremo ry zareo ny fampiasana "ponctuation", inona moa ny dikany @teny Malagasy??

Izao ilay hoe Samy mafoaka!!!!!

Miala tsiny fa tsy mety raha avadika teny malagasy an!

nanoratra teny @ solaitra be ilay mpampianatra anglisy hoe :

" A woman without her man is nothing"

nasainy namerina nanoratra an'io ny mpianatra ary mametraka ny "ponctuation" arak any tokony ho izy.

Ny lehilahy rehetra dia nanoratra hoe:

" A woman, without her man, is nothing"

Ny vehivavy rehetra kosa dia nanoratra hoe:

" A woman: without her, man is nothing"Samy mafoaka eeeeeee

Ponctuation is powerful hoy ilay bokikely nozaraina tao am-pianarana nangalako an'io...

Fianarana @ teny Anglisy!

kitjo | 15 Desambra, 2006 13:39

Misy no tonga dia matahotra vao hoe @ teny anglisy ny fianarana aty!

DISO BE!!!!

H@ zay aloha ka hatramin' izao dia eo @ 4 volana, na 6 raha be indrindra no ilain'ny mpianatra malagasy mianatra Anglisy rehefa tonga eto SIngapour, alohan'ny anombohana ny tena Fianarana.

Raha faran'ny tsy afaka dia level 3 amin'ny 4 eo matetika no iantombohana. Izany hoe "Intermediate" na "Advanced" level...

Ny antony dia tsara be mihitsy ny "base" nianarantsika Anglisy tany Dago..tsara be ny theorie fa iznay hoe mila fotoana kely manamafy fotsiny manao "bain de langue" eny an-tsena sy @ ireo mpiara-mianatra ary mizatra mihaino...ny miteny vita ihany fa ilay mihaino koa mila fahazarana satria samihafa daholo ny accent!

rehefa mandeha irery eny an-tsena eny ianao mahay ihany rehefa voatery tsy maintsy miteny!

Ataoko ao @ "Rohy" (etsy an-kavanana" ny siteweb an'ireo sekoly fianarana Anglisy. matetika moa izay fianarana aleha dia efa misy Departement fampianarana Anglisy daholo ihany...

Fa anisan'ny tsara koa ny mandeha British Council mianatra (4 volana eo ho eo), dia mandritra io fotoana io koa mizatra ny tanana sady misafidy tsara izay "filiere" tiana atao!

My sis' birthday

kitjo | 15 Desambra, 2006 13:22

Oh yeah..

Today is my youngest sis b'day! 9 yrs old...oohhh

Mahagaga ny ankizy amin'izao fotoana fa dia gaga aho fa telephone hono no cadeau angatahiny...

t @androko 9 taona iznay tobil kely...za manko tsy mba nilalao saribakoly..hiih..dinety no nilalao ihany!

mahavariana!

Fa izy aloha dia jeeeeejo an!

 

valin-kafatra: tonga ny vary

kitjo | 14 Desambra, 2006 18:51

Dia efa miroso ny asa ry zareo!!!

Tonga ny vary japoney ho an'ny any Atsimo.

tsy misy fialan-tsasatra tokoa an...

http://196.192.46.132/index.php/view/news/item/493

 (tohiny)

Mitapaka ve? hahahaha.....

kitjo | 14 Desambra, 2006 15:39

La circoncision, une arme dans la lutte contre le sida en Afrique (expert)
AFP 14.12.06 | 16h01

Les pays d'Afrique australe, région du monde la plus touchée par le sida, ont été invités jeudi à envisager sérieusement la circoncision des hommes comme l'un des moyens d'enrayer la propagation de la pandémie.

"C'est évident (...) la circoncision masculine réduit la transmission du VIH", a déclaré le chirurgien zambien Kasonde Bowa au dernier jour du 3e forum annuel des responsables de la lutte contre le sida des 14 pays de la Communauté de développement d'Afrique australe (SADC).

"La SADC doit prendre une décision et adopter une position de leadership sur le sujet. La pandémie du VIH s'est aggravée dans la région et la circoncision masculine peut faire la différence", a-t-il ajouté devant les participants de cette réunion organisée à Blantyre, la capitale du Malawi.

Cet expert a rappelé que la circoncision était largement acceptée en Afrique australe où elle fait partie des traditions de certaines ethnies, comme les Xhosa d'Afrique du Sud par exemple.

M. Bowa a ajouté qu'il y avait même une "demande croissante en faveur de la circoncision" dans des pays qui ne la pratiquent pas.

Qualifiant la circoncision d'intervention de santé publique, il a précisé qu'il s'agit d'une "opération de faible coût qui coûte seulement 15 USD alors que les traitements pour le sida coûte 480 USD par personne et par an et représente une dépense perpétuelle".

La SADC regroupe l'Afrique du Sud, l'Angola, le Botswana, la République démocratique du Congo (RDC), le Lesotho, Madagascar, le Malawi, Maurice, le Mozambique, la Namibie, le Swaziland, la Tanzanie, la Zambie et le Zimbabwe.

Tsisy atao hoe any Dago refa vita fianarana???

kitjo | 14 Desambra, 2006 14:24

Arakaraka ny fianarana aloha io e...fa saingy vitsy ireo filiere oe tena tsy azo am-piasana loha ka tsy azo ampiharina any Dago mihitsy!

Inty misy "cas" iray afaka angalana inspiraka ho antsika tanora e.

Ohatra fts io raha tsy hilaza ko aho ny toy ny :

- Axius Technology

- Injet

- Homeopharma

- Arifidy Optika

- Bongou

- TIKO

- Madavision

- Baobab

sns sns

Mety ho vahiny no tompon' ny sasany amin' ireo fa saingy ao dago, iznay hoe "Misy atao tsara ao dago raha vonona e"..Tsy natao ho an'ny kamo sy tsy tia mieritreritra, kanosa sy miandry toloram-potsiny aloha e!

Johanne Rasamoely

http://www.lexpressmada.com/index.php?p=display&id=3586

jereo koa ato

http://madagascar-tribune.com, sady manjakely..hihihi

Araraoty!!! L’enseignement supérieur se modernise!

kitjo | 14 Desambra, 2006 14:14

"Les actions se poursuivent pour concrétiser les objectifs fixés par le ministère de l’Education nationale et de la recherche scientifique (Menrs) dont l’amélioration de la qualité de l’éducation.


Ainsi, trois nouveaux outils numériques ont été mis en place au niveau de l’enseignement supérieur, à savoir le système d’informations scientifiques et techniques (Sist), l’université en ligne et Madagascar digital library (MDL). Fruits de la collaboration entre le Menrs et la Coopération française par le biais du projet Madsup, ils ont été présentés officiellement, hier à Ambohitsaina.


Chaque outil a son importance et son utilité. L’installation du Sist favorise surtout les chercheurs et les enseignants chercheurs puisque c’est un réseau de chercheurs panafricains venant de plus de 20 pays, contenant des milliers de résultats de recherches. Comme c’est un portail web, ils peuvent également y publier leurs recherches. Les sites ci-après : sist.univ-antananarivo.mg et sist.education.gov.mg sont disponibles pour ceux qui veulent en savoir plus.
Le deuxième outil, l’université en ligne, est un site web, disposant des cours de base préemployés avec diverses animations. Ils portent sur les mathématiques, la physique, la chimie et la biologie. Les premier et second cycles en sont les principaux concernés.


Quant au MDL, il regroupe des ouvrages scientifiques publiés par des éditeurs internationaux reconnus mondialement. C’est un abonnement en ligne, d'un coût de 15 000 dollars par an, supporté par le Menrs. D’autres renseignements sont disponibles sur le site [email protected] et tous ceux qui veulent profiter de ce système peuvent également s’y inscrire.


“Tous ces outils permettent aux étudiants et aux enseignants chercheurs d’accéder facilement à d'importantes informations qui leur sont utiles”, explique Ridja Randrianarisoa, directeur des technologies de l'information auprès du Menrs.


A la même occasion, le ministère de l’Education nationale français a également offert des dons en outils pédagogiques au Menrs. Ce sont des CD et des DVD contenant des cours et d’autres ouvrages importants. Ceux-ci seront distribués auprès des lycées et des six universités.
Les outils sont disponibles. De plus, on peut y accéder gratuitement. Il reste à chacun d’en user à bon escient."

Nalaiko tao @ gazety L'Express de Madagascar androany.

Nojereko ireo siteweb voalaza etsy ambony fa samy tsy misy mandeha...

huummm,saingy tsy any aloha ny olana e!

Lobster 4kg hita tany dago!

kitjo | 14 Desambra, 2006 01:50

tany an-dranomasina moa iznay fa tsy haiko oe taiza ho aiza tsara...

http://news.mongabay.com/2006/1210-coml2.html

site iray ihany dia milaza hoe 1.8kg sy 4kg ka tsy haiko intsony izay marina..Raha ny sary aloha no jerena dia 4kg marina angamba!

Zidane: Miverina @ taniny ny ... mpanao koudetety!

kitjo | 14 Desambra, 2006 01:38

Za manokana aloha tsy dia tia azy loatra!

@Teny faran'tsy hay!

http://www.lexpress.fr/info/quotidien/reportage-photo/default.asp?id=192

hafa koa:

Ny Prezidan' i Alzeria no nanasa azy hody

Commentant le coup de tête asséné à Marco Materazzi lors de cette finale, le chef de l’Etat fera remarquer au champion du monde que face « à ce qui ne pouvait être qu’une grave agression, vous avez réagi, d’abord, en homme d’honneur avant de subir, sans sourciller, le verdict ». Et d’ajouter : « Comme vous n’avez jamais oublié le pays de vos origines, l’Algérie et les Algériens sont fiers de vous. Ils ne vous oublient pas. » Quelques jours après ce message, l’ex-meneur de jeu de l’équipe de France fera part de son intention de se rendre en Algérie dans un entretien accordé à TF1.

« Retrouver mes origines, retrouver ce qui est la terre de mes parents, tout ça bien-sûr j’ai envie de le vivre. Et je dois le vivre », expliquera-t-il.

http://actualite.el-annabi.com/article.php3?id_article=2894

Madagascar elections free and fair

kitjo | 14 Desambra, 2006 01:32

Izany hono hoy ny mpanara-maso iraisam-pirenena ka inona ndray no tsy marina amin' izany??

http://www.gov.bw/cgi-bin/news.cgi?d=20061213&i=Madagascar_elections_free_and_fair

 

Chelsea

kitjo | 14 Desambra, 2006 01:24

Ho an' izay mankafy baolina kitra..

Za manokana aloha dia tena tia..manaraka raha maharaka...

Miala tsiny fa tsy voadikako teny Malagasy izy ity

Football: Drogba keeps Chelsea hot on United's heels

(Fa Drogba aloha tokony alefa manao tanimanga surgery e..haha..manjary mitsonika raha plastika)

http://www.channelnewsasia.com/stories/afp_sports/view/247085/1/.html

14Dec

kitjo | 14 Desambra, 2006 01:17

 

"Ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy." Jakoba 2:17

 

Nalaina tao @ baiboly.org

Plastic Surgery na Chirurgie plastique!

kitjo | 13 Desambra, 2006 17:04

Dia lasa ny saiko hoe...

fa maninona no natao hoe Plastika nefa toa tsy misy Plastika izany akory?

Sa ilay olona no lasa ohatry ny plastika mivoaka avy ao?

SA ilay hoe ny plastika no azo tefena toy ireny? koa raha natao hoe vy?

rehefa mandeha ny eritreritra dia betsaka koa ny fanontaniana manapa-dalana manao auto-stop!

 (tohiny)

13 Dec!!!

kitjo | 13 Desambra, 2006 16:51

Alina sahady ny andro.....Ny orana tsy mety mijanona.

Grave koa ilay dekalazy k! ny olona manomboka mba connecte..ziao vao manomboka mafana ny resaka ao @ forum...ny andro anefa ity efa ho @ 1 maraina..efa mba miezaka ny hatory aloha manko za io.

Isan'andro 3h eo foana, zao mba hanandrana hoe raha hahavita matory @ 1..tsy dia internet akory no antony fa efa hatrizay mihitsy izahay no tsy nizatra dia h@ zao mbola manaraka ora Dago (5h mialoha an'i Dago aty).

Nanamarika ny androko androany ny fihainoana Radio Fahazavana, etsy andaniny...

Mba henoy ange e!!!

http://www.madagascar-info.net/radiofahazavana/show_categorie.php?ID_CATEG=1

Misy karazany ao!

Vaovao Radio Fahazavana androany!

kitjo | 13 Desambra, 2006 16:25

Vidy Varotra online!

kitjo | 13 Desambra, 2006 09:27

Dia available online koa izao ny Vidy Varotra hono e!

www.vidy-varotra.com

Ny Loterana sy ny asa Fanasoavana!

kitjo | 13 Desambra, 2006 09:21

Antsirabe
Un centre d’actions sociales pas comme les autres
( Article paru le 25/11/2006 )
 
        <b> Dans le cadre du projet diaconal luthérien, un centre a été implanté dans l’enceinte du grand temple FLM Antsirabe Antampotanana depuis janvier 2003, afin de mener à bien ses actions sociales en faveur des plus démunis.

Les actions sociales sont axées sur l’aide aux personnes marginalisées, dont le nombre s’accroît de jour en jour. Il s’agit de jeunes nécessiteux et de femmes mères avec un ou plusieurs enfants à charge. Dans les deux cas, les individus sont âgées de 18 à 35 ans. Pour leur recrutement, le centre collabore avec la délégation régionale de la population du district d’Antsirabe I, unique zone d’intervention.

Les jeunes ont au minimum le CEPE. Le centre apporte son appui à la recherche d’emplois. Quant aux femmes mères, il les aide à créer un emploi à leur convenance, tout en mettant à leur disposition une crèche destinée à accueillir leurs enfants durant la formation et la période d’essai.

Le projet adopte un mode d’intervention novateur et expérimental. A titre d’exemple, on peut citer une approche technique et professionnelle, sous forme de bourse de formation, en collaboration avec d’autres centres.
«Depuis son existence, le centre a servi 402 jeunes marginalisés. Ses actions sociales se poursuivent en s’améliorant», déclare Andriatahina Rabeson, jeune et dynamique directeur du centre.

Jeannot Ratsimbazafy

Gazety Les Nouvelles.

13Dec:

kitjo | 13 Desambra, 2006 07:37

"Aleo anatra imaso Toy izay fitia afenina. Azo itokiana hahasoa ny fery ataon'ny sakaiza; Fa tena fitaka ny fanorohan'ny fahavalo. " Ohabolana 27:5-6

Nalaina tao @ baiboly.org

 

An-dakozia!Famoasana..haha

kitjo | 13 Desambra, 2006 07:23

Tongolo gasy:

rehefa mamofy tongolo gasy dia didio kely hiala ny lohany sy ny vodiny..aveo tonga dia potsero @vodin'antsy fa tonga dia voaofy tsara...manaraka dol ny hodiny dia endahina fts sisa!

Misy koa tsy mamoafy tongolo gays, toy ny thailandais, fa tsara hono ny apport @iny hodiny fa ts haiko oe inona..fa tsy hohanina le hodiny an!

Oignon

Mba ialana @ ranomasobe kosa dia alefao ny robinet d eo @le rano mandeha iny no voaso ny tongolo fa tsy hampitomany mihitsy!

Na alona rano elaela alohan'ny hamoasa azy raha mana fotoana fa itsy ambony aloha no mahomby ho an'ny maika e!

Mananasy

Esory ny lohany sy ny vodiny..dia atsongolohy avy eo...zany oe avy aty @vodiny no amoasana azy..mora kokoa ny ialan'ilay oh hodiny misiisika kely iny amzay!

Voatabia

Ho an'ireo zay tia manendaka ny hoditra voatabia dia somary apetraho kely anaty rano na zavatra mangotraka vetivety vao voasana fa hiendaka fts ilay hodiny aveo tsy mila voasana.manahirana koa mamaofy azy raha somary efa malemilemy ilay izy!

Tsy mandeha ny video search youtube!

kitjo | 13 Desambra, 2006 06:04

Soa ihany fa efa voa enregistrer daholo ny video ankafiziko tao @ you tube!

Nahagaga fa ity androany ity dia tsy mandeha hono ny video search...hhmmm...

Ny dailymotion anefa ela beeee!!!

Dihy!!

kitjo | 13 Desambra, 2006 06:00

Za dia tia dihy..

DIhy hoa fa tsy mandihy..tia mandihy refa za rery tsy misy mahita...

Shakira no anisan'ny tena ankafiziko fa za mo mbo minatranatra reny bellydance reny...fa tsy mety mahay..tsy hita e!!!

Tsy haiko ny mametraka video ato !!!!

Mahaleo

kitjo | 13 Desambra, 2006 05:56

Io no mpanakanto tiaaako njinja njinja h@ zao aloha..

na feony na tonony!

Jereo ange ity e!

Embona sy hanina : Dadah sy Charles, mahavoa koa ilay bandy io an...releve mahatoky!

http://www.dailymotion.com/visited/tag/Mahaleo/search/malagasy/video/x9hug_mahaleo-embona-sy-hanina-dadah-char

13-12

kitjo | 13 Desambra, 2006 05:45

Dia mbola tara njay vao nifoha fa tsy mianatra!

Vao mifoha dia oram-be..ggrrr..tsy maina ndray ny lamba anjoany!

Zao le mampa-noana, asa ianareo raha toa ahy fa za raha vao mijanona ato antrano ohatra an'izao ka avy ny orana dia te hihinan-kanina foan foana! hhmm..raha izao no mahazo katsaka sy ronono..miam miam..

Miaraka @ iznay rehetra izany mihaino MBS Radio en direct...na dia tsy dia mazava lotra aza dia hafa mihitsy eee!!!

reko dol ny hira malaza..fa tiako kosa aloha ilay Fe ataovy (Thibaut feat Dj Jonnathan)..

Dancehall ilay rythme ozizy vegas!

Fa misy hira izany ao ..efa ela be za vao tonga saina fa hay teny gasy..tsy haiko tsony aloha satria na miteny gasy aza d ataon ilay mpihira mizesta be accent teny anglisy....milay k!

Mirongatra ny voalavo sy lalitra @ faritra sasany!

kitjo | 13 Desambra, 2006 05:29

manao antso avo ny ben'ny Tanana Antsirabe fa maro ny ezaka atao kanefa misy faritra na fokotany vitsivitsy tsy manaja ny fahadiovana ka mahatonga loto ary mampirongatra lalitra sy voalavo...

MMhhhh..aiza ho aiza re izany e!!!!!

tsy eo aloha e!

Demografia!!!

kitjo | 13 Desambra, 2006 04:52

Niaraka t@ i Malaisie i SIngapour taloha fa nifidy ny hahaleo tena taorian'ny fanjanahana indroa :Japon dia avy eo ANgleterre

Izany no mahatonga ny Malay ho be dia be(malaisiens fa rehefa lasa SIngapore citizens dia antsoiny oe Malay)

Nohon'ny lafiny Politika kosa anefa dia ny sinoa no maro an'isa.

Ny karana dia mizara ho classe roa:

- karana manankarena be sy manam-pahaizana, karana no betsaka @milionera

-karana mahantra avy any Inde na Pakistan na Bangladesh, miasa @ resaka Construction manangana building sns

ny Indonesians koa no betsaka satria akaiky...

Ankoatra ireo dia maro an'isa ny expat hafa: fotsy hoditra, afrikana, amerikana tatsimo, gasy..hehehe(fa ny gasy tsy maro an'isa)...14

 

Fehiny: 4millions ny mponina eto.

Majorite:malay, sinoa, indonesian,karana

Fivavahana: Bodista(sinoa, myanmar), kristiana(reforme no betsaka:evanjelika, charismatique..), hindou(karana), silamo(malay,indonesian,karana)

Ny 2/3 ny mponina no mipetraka tena mipetraka fa ny 1/3 dia residents permanents, mpianatra, mpi-buzn..mivezivezy!

Miha-antitra ny mponina ka tambazana vola izay miteraka...ny tena olana dia tia miasa lotra ry zraeo ka aleony miompy alika toy izay miteraka fa manjary tsy afaka miasa hono raha misy zaza!

Nefa ny taxe aloa @fiompiana alika koa mihompapana!

Aiza ho aiza???

kitjo | 13 Desambra, 2006 04:49

Tsy any Chine aloha na be kely maso aza e!

 

13-12: Tratra i Gl Fidy!

kitjo | 13 Desambra, 2006 04:42

Omaly hariva 7pm no tratra tao @ Resto iray tao ANkadifotsy no tratra i Fidy.

resa-be daholo ny hoe miafina anaty lavaka e..bla bla bla e..

Niaraka t@ zanany lahy hono, tsy nisy fitaovam-piadiana.
Tsy nanohitra izy fa tonga dia nanaraka ny mpitandro filaminanana.

Nanao t-shirt sy jogging!

Ranomafana Bira

kitjo | 13 Desambra, 2006 04:23

Resaka tao @ forum "anay hatrany Bira" ity..mety mahasoa ho an'ny hafa fa na izaho tompo-tany aza tsy nahalala....

Andriambelo:

"Farany teo aho hoe ndeha mba hanao cure : tsary nanenenako mahitsy fa nahafinaritra. Tsary voatery hoe kilemaina mitsabo tena fa ny anay hoe "remise en forme" : bain bouillonnant ao amin'ilay jacousie, cataplasme de boue, massage, douche à percussion.


Izay rehetra izay ro 7.000 Ariary nandritry ny 5 andro. (2,50 euros). Madio anefa ny ao, ary mahafinaritra aby ny mpiasa ao fa tsy le mivindavinda rony.

Madio anefa ny ao, ary mahafinaritra aby ny mpiasa ao fa tsy le mivindavinda rony.


Nisy bandy izay tafaraka tamiko tao toa mipetraka ao Juvisy-sur orge ao angaha izy izay, hoe tsary maintsy manao cure hoe izy isaky ny enim-bolana, de aleony hoe mankao, fa nanontany hoe izy ny "thalassothérapie" aty Frantsa hoe 800 euros ao Amélie-Les-Bains, tsary misy hebergement akory. Mora kokoa ny mandrha raopilanina any an-tanàna."

12-12-2006

kitjo | 12 Desambra, 2006 14:36

Inona moa izany fa dia tsaroako tampoka fa hay anniv Ravalo anjoany!

57ans hono izy hoy mimich....hay efa lehibe ihany lery fa mbola mitana kosa! hihihihihi

Ankoatra izay dia nandeha nandende tany Toa Payoh, tsena lanitra misokatra."open market".hihihih...nandeha nijery telephone moa zany dia nahita occasion fa mbola milay be.

Ary tsy fantatro oe hay misy phone occaz milay be any nefa antsasany @ vidiny vaovao.

Izany hoe satria ilay misy phone vaovao foana dia ny singaporean tia misolo phone foana isaky ny misy vaovao..dia alefandry zareo eny le izy,

Ny fika fts dia ilay modele vao haingana ireny no vidiana amzay sur mbola tsara!

izay ndray aloha fa nanomboka omaly nanaovana anty blog ty dia taraiky eto foana za..mahery am-boalohany!hahaha

Nampianatra Informatika lycee Betafo

kitjo | 12 Desambra, 2006 05:49

 

Ao @Sary ny tohiny!

Antotan-taratasy sy fiomanana raha hianatra aty SIngapour!

kitjo | 11 Desambra, 2006 11:59

Taratasy ilaina:

Tsy hoe akory hoe ireto daholo fa ireto no tsy maintsy..mitovy @toeran-kafa ihany angamba

- application form avy @sekoly (azo alaina @internet)

- visa application @immigration (alaina @net)

- taratasy na diplaoma @zay fianarana hafa rht natao

- taratasy sivily :copie-mariazy RAR

- copy passport, sary sns

- taratasin'ny banky manamarina fa tsy nanana olana t@ banky ny RAR ary afaka mahaloa ny saram-pianarana sy vidim-piainana eto @singapour mandritra ny .... taona!

 

VISA

rehefa OK fa voaray @ sekoly dia mangataka visa amin'izay "Student Pass"

Eo @ 4 ka hatramin'ny 6 herinandro (1volana-1volana1/2) ny fakana visa na mety alohan'io aza raha ara-dalana daholo ny taratasy takiany.

Azo alaina @ internet ireo "form" rehetra ilaina.

Arakaraka ilay cas fa matetika herintaona no omeny dia avaozina avy eo.

Tsy dia misy olana ny fanavaozana azy fa ny condition kosa anefa dia farafahakeliny 90% ny "attendance"..tsy mahazo mingitrika matetika izany..hihhihi.

Ny resultat ihany koa no critere takiany ho tsara ahafahana manaovao ilay STudent Pass.

Ny mpianatra vahiny eto dia tsy mahazo miasa mihitsy eto na dia "part time" aza...na tsy mandray vola aza..na dia "petit boulot" reny fts aza.

Mampigadra mihitsy moa io raha tratra na tonga dia mody!.Tsy misy fetra mihitsy na 1h/semaine aza...

Ny fotoana rahateo tsy ahafahana miasa izany aty satria pratique daholo ny zavtara atao ka any @ orinasa na manao recherche na manao developpement projet no andaniana fotoana. Ny fotoana ianarana matetika dia 3h isan'andro ihany..max 6h fa indraindray fts..ny ivelan'ny fianarana no betsaka!

 

te hianatra aty SIngapour na hampiana-janaka?

kitjo | 11 Desambra, 2006 11:57

Azonao jerena ao @ Rohy ny ny lisitr' ireo Sekoly malaza eto SIngapour

13mianadahy izahay no mianatra eto izao.

4 kosa no efa nody na nifindra toerana!

Hohazavaiko manaraka fa raha ny teo manokana aloha dia afaka BEPC no tsara mankaty raha hanohy fianarana fa tsy miandry Bacc

Tonga dia mi-switch @systeme anglisy fa very fotoana 2taona raha miandry Bacc vao mankaty na voatery miditra sekoly prive.

Ny sekolim-panjakana moa no tena tsara aty fa saingy sarotra be ny miditra aminy!

Alefako sujet hafa ny taratasy karakaraina sy momba ny visa!

Valim-pifidianana betafo

kitjo | 11 Desambra, 2006 11:30

Valim-pifidianana Antsirabe II

kitjo | 11 Desambra, 2006 11:22

Mbola propagandy ihany!

kitjo | 11 Desambra, 2006 10:57

jereo ry nenintoa na ry lenary scou mba ao..

Antsirabe

kitjo | 11 Desambra, 2006 10:45

propagandy tany Bira

 

Anay hatrany Bira

kitjo | 11 Desambra, 2006 07:36

Ho antsika izay hatrany an-tanana!

Midira forum manokana ao @Serasera "Anay hatrany Bira" fa ao aby ny ekipa solide toty zenerasio....

toko d mahafinaritra ery ny resaka, anihany, fahatsiarovana, tetikasa ary sary ao yyyyy

mazto le akizy ah!

Za ve?

kitjo | 11 Desambra, 2006 07:25

Mpianatra malagasy eto SIngapour...

Efa hody atsy ho atsy na izany aza...

Mpikamba @ekipa solide ao @forum serasera indrindra2...huumm Politika!

Ie, tia Politika mihitsy aho fa saingy mbola tsy presidentiable..lol

Lehibe tany Vakinankaratra aho, teraka tao Betafo ary lehibe tao Antsirabe..Promotion Bacc 99..Sao dia misy mahalala?

Nianatra kely (2taona) tao iarivo ary izao aty amin'ny tanin'ny kely maso izao...

 

Mandra-pa e!

ALy

 

(vao mianatra mampiasa lay blog ry reto an..misy iany any @ Blog hafa any fa efa ela d tsy tadidiko mbamin'ny adiresy sy ny fampiasa azy)

 

Fanandramana!

kitjo | 11 Desambra, 2006 05:53

Miarahaba antsika rehetra..

Mba nitsidika tato @ blaogy aho ka nahafinaritra nijery ny an'ireo namana ka inty aho mba hanandrana kely aloha fa na ny mampiasa anty aza tsy haiko oe aiza sy ahoana...

mandra-pa e!

 
Powered by LifeType - Design by BalearWeb